Fanatajahantena

Tenisy ho an’ny jeneraly : tompondaka i Sahivelo sy Razafimboto

Nandrombaka ny amboara tamin’ny “Tournoi des étoiles”, taranja tenisy, ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy ny Je­neraly Razafimboto. Fifani­na­nana natao ny talata lasa teo, teny amin’ny kianja Comp­lexe Sportif Militaire Betongolo. Hetsika karakara­in’ny Ofisy miaramilan’ny fanatanjahantena sy ny ko­lon­tsaina (OMSC), ary ny Sam­pana misahana ireo […]

CIJ – Madagasikara : efa vonona ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy

Mivory mandritra ny telo andro eto Madagasikara ny CIJ (Conseil International des Jeux). Naneho ny fahavononany handray ny lalaon’ny Nosy 2023 i Madagasikara, nandritra ny  fanokafana ny fivoriana omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia. Efa fantatra avokoa ireo toerana sy kianja handraisana ireo taranja 23 hifaninanana ka nampahafantarina ny CIJ, omaly. […]

Handball – «IHF Trophy»: nahemotra amin’ny janoary ny fifanintsanana

Noho ny antony fikarakarana, voatery hahemotra amin’ny volana janoary 2023, ny fifanintsanana kaontinantaly, taranja handball “IHF Tro­phy”, ho an’ny sokajy zandriny U20 lehilahy. Araka izany, ny 16 ka hatramin’ny 20 janoary ho avy izao, no hanatontosana izany any Kongo Brazzaville. Efa fantatra avokoa mantsy ireo tompondaka isam-paritra. Ginea, ho an’ny […]

Basikety-“Ligue en fête ” : tratra ny tanjona ho an’Analamanga

Nizotra araka ny tokony ho izy, ny asabotsy sy alahady lasa teo, ny hetsika “ligue en fête”, nokarakarain’ny ligin’ Anala­manga, namaranan’izy ireo ny taom-pilalaovana 2022. Fiarahana nifety am-basikety, niarahan’ny fianavakaviamben’ny ligin’ Ana­la­manga ny nanamarihana io roa andro teny Ankatso io, izay nambaran’ny filohany, Andriatsima Hery, fa tratra ny tanjona napetraka. […]