Fiofanana no hanombohan’ny federasiona malagasin’ny Kung fu, ny taom-pikatrohana 2024. Izay no tapaka, araka ny fandaharanasa notapahin’ny mpizaika nandritra ny fivoriambe, ny 15 desambra lasa teo. Hisy ny fiantsoana fiofanana izay hatao ny sabotsy 6 janoary 2024, eny amin’ny foibe 67 ha, manomboka amin’ny 8 ora maraina. Hiompana amin’ny lafiny […]
Fanatajahantena
Razafindranaivo Koloina (Rakool) : resy lahatra aminy ny klioba AC Alres
Maharesy lahatra an’i Mathias Lozano, mpanazatran’ny AC Arles France Regional 1, ny fahaizan-dRazafindranaivo Koloina na Rakool, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, efa nahatafiditra baolina iray Rakool, nandritra ny lalao roa nataony. “Mpilalao manana kalitao hafa sy tsotra i Koloina, anisan’ny tena mampiavaka azy […]
Kick – “Mondial 2024” : nofoanana ny fifaninanana saika hatrehan’i Rojo
Voatazon’ny klioba any Chine hiatrika ady matihanina mandritra ny iray taona i Rojo, Malagasy mpikatroka. Ny “Mondial 2024” no fifaninanana voalohany saika hatrehany saingy nofoanana izany. Malagasy mpikatroka, taranja kick-boxing, miatrika ady matihanina any Chine, i Rojo. Tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpikatroka tokony handray anjara amin’ny fiadiana ny ho […]
Tae-kwon-do: lany ho filohan’ny ligy i Franck Tiana
Ora iray sy sasany ny faharetan’ny fivoriambe ara-potoana sy nifidianana izay ho filohan’ny ligin’Analamanga, taranja tae-kwon-do WT, omaly, tao Andravoahangy. Mbola lany hitantana fanindroany Rakotomanana Franck Tiana. Tsy nisy afa-tsy roa ireo kandidà nifaninana: izy sy Rasolofo Herinirina Jocelyn, filoha lefitry ny ligy teo aloha. Tonga nandatsa-bato avokoa ireo seksiona […]
Lomano-Thaïlande: nahazo medaly volamena roa sy volafotsy iray i Tendry
Fahombiazana tanteraka no azon’i Tendrinavalona Tendry Diaritiana, nandritra ny fifaninanana taranja lomano, tany Thaïlande. Medaly volamena roa sy volafotsy iray no norombahiny nandritra izany, teo amin’ny sokajy 50m, 100m ary 200m dos. Tsy vitan’izany fa nahavita nanatsara ny fe-potoana tsara indrindra ihany koa izy tamin’ity fifaninanana ity. Zava-bita tsara indrindra […]




