Fanatajahantena

Basikety-Inter Lycée “All Step”: ho hentitra amin’ny fampanarahan-dalàna ny mpikarakara

Hotanterahina manomboka ny alarobia 3 avrily izao, ny fifaninanana “Inter-Lycée All Step”, taranja basikety. Fifa­ni­nanana karakarain’ny ligin’An­a­lamanga, taranja basikety, hiarahana miasa amin’ny minisiteran’ny Faabneazam-pirenena (MEN), natokana ho an’ny Lycée eto Analamanga. Tsy ny Lycée rehetra anefa no afaka mandray anjara fa ireo izay manana kianja afaka hilalaovana. Tsy maintsy mpianatra […]

Rugby – «Top 12 Mada» : hanala vela amin’ny Cosfa ny Uscar

Hanomboka rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby « Top 12 Mada ». Telo ireo lalao voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana andra­san’ny rehetra ny an’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar (Kao­minina Antananarivo Reni­vohitra). Hanala vela amin’ity ry zareo Uscar. Raha tsiahi­vina, izy ireo no niatrika […]

Lalao ara-pirahalahiana : resin’i Madagasikara 1 no ho 0 i Burundi

Tsara ny vokatra azon’ny ekipa malagasy Barea, tamin’ny lalao voalohan’ny “Fenêtre Fifa”. Nahazo fandresena nanoloana an’i Burundi izy ireo. Notanterahina; omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny lalao ara-pirahalahiana tafi­ditra amin’ny “Fenêtre Fifa”, karakarain’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 1 no ho 0 i Bu­rundi. Raha […]

“Motor show 2024”: hanangonam-bola hitsaboana ankizy marary

Hotanterahina etsy amin’ny tokotany malalaky ny kianja Barea Mahamasina, ny sa­botsy 30 sy ny alahady 31 marsa ho avy izao, ny “Motor show 2024”. Hetsika karakarain’ireo mpankafy ny taranja mekanika. Nambaran’i Tojo Ranaivo, anisan’ireo mpikarakara, tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina, afakomaly, fa hanangonam-bola hitsaboana ny ankizy tena marary eny amin’ny […]