Fanatajahantena

Taekwondo – “Lalao Olympika 2024” : hiady ny tapakila ny Malagasy mpikatroka

Hotanterahina any Dakar Sénegal, ny volana febroary ho avy izao, ny fifanintsanana amin’ny ady tapakila hiatrehana ny “lalao olympika JO”, Paris 2024, taranja Taekwon­do. Anisan’ireo mandray an­jara amin’izany ny Malaga­sy mpikatroka taekwondo eto an-toerana. Hisy ny lalao fifantenana “match test” amin’ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Centre de formation […]

Fifanintsanana “Afrobasket 2025” : tsy afaka miatrika ny lalao i Mathias M’Madi

Hotanterahina eto Madagasikara, manomboka ny 15 – 19 janoary ho avy izao, ny lalao fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Tsy navelan’ny kliobany hiatrika izany i Madi. Nihena iray ny lisitr’ireo Ankoay, Malagasy mpilalao, sokajy “senior” lehilahy, araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), omaly. Ilay Malagasy […]

Atletisma : hisy semi-marathon roa amin’ny taona 2024

Feno ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA) amin’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Hiavaka satria hisy semi-marathon roa. Ny iray fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, tanterahina any Mahajanga, ny 31 marsa ho avy izao. Ny volana mey, hisy ny semi-marathon international. Fihaonana iraisam-pirenena handraisan’ireo mpihazakazaka avy any ivelany anjara. Tsy mbola voafaritra […]

Badminton – Mada 2023 : ligy efatra hiady ho lohany

Raha tsy misy ny fiovana, hotontosaina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton. Hotanterahina ny 13 sy 14 janoary ho avy izao izany. Handray anjara, hiady izay ho lohany, amin’izany ireo ligim-paritra efatra mandrafitra ny federasiona : Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana ary Alaotra Mangoro. Hiady lohany […]