Fanatajahantena

Basikety: nodimandry omaly ny Coach Bomba

Misaona ny tontolon’ny basikety malagasy. Nodimandry omaly, tao amin’ny hôpitaly HJRA, Randriamanalina Heri­lanto, fantatry ny maro amin’ny anarana Coach Bomba. Araka ny loharanom-baovao, tojo tsy fahasalamana ny tenany ka naiditra hopitaly, indrisy, izao tsy tana izao ny ainy. Tsy nilaza mazava ny aretina nahazo azy ny fiana­kaviany. Fantatra teo amin’ny […]

Baolina kitra mahatafita : resy lahatra ny haka Malagasy mpilalao ireo vahiny teknisianina

Notontosaina nanomboka ny alatsinainy 27 novambra teo, teny Mahamasina, ny fifantenana ireo mpilalao miisa 60. Nahasarika ny vahiny ny fahaizan’ny Malagasy ny taranja baolina kitra. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny valandresaka niarahana ta­min’ireo vahiny teknisianina miisa 4. Ahitana an’i Abde­nord Belkaci, Losc Lille D1 France, i Wassim Gharmoul, White Caps […]

Karate-Mada 2023 : mpikatroka 250 hifaninana any Toamasina

Fandaharam-potoana farany amin’ity taona 2023 ity, eto an-toerana, ho an’ny taranja karate, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, kata sy kumite, amin’ny sokajy rehetra. Fifaninanana hotontosaina any Toamasina, manom­boka anio 30 novambra hatramin’ny 2 desambra izao. Mpi­katroka manodidina ny 250, avy amin’ny ligy 18 no ho avy any an-toeana, mandritra […]

kitra – Antananarivo : ny sabotsy ho avy izao ny fifaninanana

Hotanterahina eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny ligin’Analamanga, mpikarakara ny fifa­ninanana, dia hisy lalao enina eo eny an-toerana amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanokatra izany ny fihaonana eo amin’ny Cosfa sy ny US […]