Natsahatry ny Federasiona iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe, amin’ny asa maha filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) azy, Andrialemirovason Amiroudine. Tsy misy mpitantana aloha izany ny tsipy kanetibe malagasy. Ny sabotsy 25 novambra lasa teo, nandefa taratasy fampahafantarana tamin’ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM), i Claude Azema, filohan’ny Federasiona iraisam-pirenena (FIPJP), fa voasazy ary […]
Fanatajahantena
African School Football Championship: hanafika atsy Zimbabwe ny kilonga malagasy
Hampiantrano ny fifaninanana afrikanina “African School Football Championship”, taranja baolina kitra, natokana ho an’ny mpianatra, i Harare Zimbabwe. Hotanterahina ny 14 ka hatramin’ny 16 desambra izany, araka ny tapaky ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Kaonfederasiona afrikana ny baolina kitra (CAF). Anisan’ireo handray anjara amin’izany ireo kilonga malagasy. Sambany no hiatrika […]
Trail – UTCS : nisongadina i Hobilalaina
Nifarana ny alahady lasa teo, teto Analamanga, ny andiany fahefatra amin’ny Trail – UTCS. Nisongadina ny zava-bitan’ i Hobilalaina, nandrombaka ny fandresena, teo amin’ny Ultra tour, mirefy 122 km. Tontosany tao anatin’ny 11 ora 02 mn 55 s, izany. Atleta avy amin’ny klioba Crown Vakinankaratra no tonga faharoa sy fahatelo, […]
Basikety – Africa 3×3 : hiaro ny voninahi-pirenena any Egypte ny Ankoay
Taorian’ny taona 2022, tonga indray ity ny fotoana hiatrehan’ny Ankoay ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika 3×3. Efa vonona tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy. Nianga omaly teto an-tanindrazana hihazo any Le Caire Egypte ny ekipam-pirenena Ankoay, sokajy lehilahy sy vehivavy. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “FIBA Africa 3×3”, taranja basikety, […]
Academy Kids : manomana ankizy ho matihanina
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo, tetsy Andravoahangy, ny Academy Kids, ivontoerana manabe ireo kilonga amin’ny ping-pong. Notsiahivin-dRaobison Hervé, filoha mpanorina sady efa filohan’ny federasiona teo aloha, fa efa tamin’ ny volana janoary no niasa izy ity. Tanjona ny hanomanana dieny izao ireo ankizy hiatrika ny fiadiana ny […]




