Manomboka izao, hatao ho anisan’ny taranja hifaninanana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML), ny “lutte Greco-romaine”. Tonga nanome fahalalana fototra momba izany, i Hassli Alain Georges. Nanomboka ny alatsinainy teo, hatramin’ny rahampitso alakamisy, ny fiofanana eo amin’ny «lutte Greco-romaine», tarihin’ilay frantsay manampahaizana, i Hassli Alain Georges, mpanazatra ny ekipa frantsay […]
Fanatajahantena
“World Jiu-Jitsu Championship” : efa nahavita fisoratana anarana ny solontenan’ny Malagasy
Andro vitsy tsy hanombohan’ny fifaninanana “World Jiu-jitsu Championship” hatao any Abu Dhabi, efa nahavita fisoratana anarana avokoa ireo Malagasy mpikatroka 13 mianadahy hifaninana amin’izany. Hiditra amin’ny fanaovana ny Visa kosa izy ireo amin’ity herinandro ity. Nambaran’ ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu anefa fa mbola sarotra ny hoenti-manana amin’ity fifaninanana […]
Kitra – Ligy Boeny : nizarana solosaina ireo seksiona
Naneho ny fahavononany hiasa avy hatrany sy hampandroso ny baolina kitra ny filohan’ny ligy any amin’ny faritra Boeny, Maeva Portos. Ny sabotsy 21 oktobra lasa teo izy sy ny mpiara-miasa aminy nanolotra fitaovana, toy ny ordinatera sy “imprimante” ary baolina ho an’ireo seksiona any toerana. Marihina fa tonga nanatrika io […]
Baolina kitra : lasa any Frantsa ny Coach Rôrô hijery mpilalao vaovao
Nanohy ny diany any Frantsa, Rakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Hitily mpilalao vaovao afaka hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy ny tenany, mialoha ny hiatrehana ireo lalao fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”. Taorian’ny fahavitan’ireo lalao firahalahiana roa, notanterahina tany Maroc, nandritra ny datin’ny FIFA, fantatra, araka ny fampitam-baovao, fa tsy […]
Mondial Rugby : hiady ny amboara i Afrika Atsimo sy i Nouvelle Zélande
Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany France, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Rugby. Ny ekipam-pirenena Springboks, Afrika Atsimo sy ny All Blacks, Nouvelle Zélande no hifanandrina eo amin’ny famaranana. Raha hiverenana ny manasa-dalana nataon’ireo ekipa roa ireo, ny Springboks nandresy an ‘i XV de la Rose, Angleterre, […]




