Fanatajahantena

“Play Fiba 3×3” Afrika : mitana ny laharana 3 voalohany ny Malagasy

Vaovao tsara ho an’ny taranja basikety, lalaovin’olona telo. Mitàna ny laharana telo voalohany amin’ny “Playoff 3×3” eto Afrika, ny Malagasy. Laharana voalohany, Randriamampionona Elly, laharana faharoa, Ratianarivo Livio ary fahatelo kosa i Solondrainy Jean Arnol. Vao­vao azo lazaina ho efa tsy mahagaga intsony, raha ny ezaka sy ny vokatra tsara […]

“Madagascar tennis project” : mpianatra 160 nomena fahalalana fototra

Tonga eto Madagasikara ilay Malagasy mpilalao tenisy, i Miary Zo sy ny ekipan’ny AST Herblay, Frantsa. Mizara sy manome fiofanana ary manome fahalalana fototra amin’ny alalan’ilay tetikasa “Madagascar tennis project”, izy ireo. Notanterahina omaly, te­ny amin’ny sekoly Apeaf Antsobolo, ny tetikasa “Madagascar tennis project”, novolavolain-dRakoton­dramboa Miary Zo, mpilalaon’ny klioba AST […]

Basikety-Heritiana Mickael : hanohy fianarana sy basikety any Etazonia

Tsy mitsahatra misondrotra hatrany ireo Malagasy mpilalao, eo amin’ny taranja basikety. Taorian-dRabibisoa Jer­ry Pépin, anjaran’i Heritiana Fabrizio Mickael na i Micka­kely indray izao no hisidina any ivelany. Hanohy ny fianarany any Etazonia ity Mala­gasy mbola tanora ity ary hanohy hilalao ny basikety ihany koa. Ao amin’ny Dow­ney Christian School ao […]

Tsipy kanetibe : hofantatra tsy ho ela ireo mpilalao Junior

Ho fantatra amin’ny faran’ny volana oktobra ho avy izao ny anaran’ireo Malagasy mpilalao efatra hiaro ny voninahi-pirenena malagasy mandritra ny Mondial 2023, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana maneran-tany izay atao any Bangkok Thailande, ny 23-26 novambra ho avy izao. Ny sokajy “senior” vehivavy sy ny “Junior”, sokajy lehilahy no manao izany […]