Ho famaranana ny taom-pikatrohana 2024, taranja karate-do, hisy ny fifaninanana “Challenge du Sud-Est”, hatao ny 18, 19, 20 ary 21 desambra izao. Ny ligin’i Fitovinany no mikarakara ny fifaninanana izay hotontosaina any Manakara. Tsy misy ho diso anjara ny sokajy rehetra satria manomboka any amin’ny Pupilles hatrany amin’ny Super-Vétérans dia […]
Fanatajahantena
Federasionin’ny Taekwondo : Tsy nahazo fanasana tamin’ny fiofanana
Hifarana anio ny seminera momba ny fitsaboana ara-panatanjahantena sy ny “dopage”, eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay natao nanomboka ny alatsinainy lasa teo, tetsy Mahamasina. Nahazo fanasana avokoa ireo taranja ara-panatanjahantena maro, ankoatra ny Taekwondo WT. Rehefa natao ny fanadihadiana, nilaza ny eo anivon’ny Komity olympika malagasy (Com), fa […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny 26, 27, 28 ary 29 desambra izao, any Farafangana, ny fifaninanana «Agnambahy mifety» andiany faha-4. Fifaninanana karakarain’ny ligin’ny basikety Atsimo Atsinanana izy ity, iarahana amin’i Minaoharisoa Christiane, Ankoay. Hiavaka ity andiany ity satria hisy taranja hafa hifaninanana ankoatra ny basikety 3×3 sy 5×5. Notsenaina makotrokotroka, ny talata lasa […]
Baolina kitra U15 : firenena efatra no hifanintsana
Nanatanteraka valandresaka tamin’ny mpanao gazety, tetsy Isoraka, omaly, ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), izay tarihin-dRandriamanampisoa Alfred. Nampahafantarina tamin’izany, fa hanomboka ny 16 hatramin’ny 22 desambra ho avy izao, etsy Mahamasina sy Elgeco Plus By-pass, ny fifanintsanana ho an’ny firenena aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, sokajy zandriny, U15, lahy […]
Barea de Madagascar A : mpanazatra 54 hisafidianana
Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, omaly, tetsy Isoraka, fa efa maro ireo mpanazatra vonona ny hitondra ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar A. Nahatratra 54 ny isan’izy ireo, ary ahitana anarana malagasy vitsivitsy, vahiny no tena betsaka amin’izany. «Ho fantatra amin’ity faran’ny volana desambra ity ny […]