Fanatajahantena

AJS Mada Tsiadana : hisy lalao fihantsiana efatra

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianjan’ny Oni­versite Ankatso, ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny Association des jeunes sportifs (AJS) Mada Tsiadana. Araka izany, hisy lalao fiha­tsiana efatra eny an-toerana, amin’ny taranja Rugby. Ma­rihina fa ny AJS dia sekoly ara-panatanjahantena mitaiza ny ankizy amin’ny alalan’ny Rugby. Tsara ny mampahafantatra fa hotolorana amboara […]

Kitra – «Grand Tournoi d’Antananarivo» : hanalavela amin’ny Ajesaia ny Disciples FC

Fantatra avokoa ireo ekipa hidona amin’ny fiadiana ny manasa-dalan’ny “Grand Tournoi d’Antananarivo”, taranja baolina kitra. Hifanehitra eo amin’ny manasa-dalana ny samy “Pro league”, ny Disciples FC sy ny Ajesaia. Tontosa omaly zoma, teny Andoharanofotsy ny antsapaka ho an’ireo ekipa efatra tafita hiatrika ny manasa-dalana, hiadiana ny “Grand Tournoi d’Antana­narivo”, taranja […]

« Tournoi Beach Soccer » – Morondava : hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary ny tompondaka

Hotanterahina manom­boka anio, any Morondava, ny fifaninanana baolina kitra an-torapasika, beach soccer, ho an’ny seksiona Morondava. Hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary izay ekipa voahosotra ho tompondaka amin’izany. Miisa valo ireo ekipa mpandray anjara amin’ity fifanintsanana ity. Marihina fa nozaraina vondrona roa “A sy B” izy ireo. Raha ho an’ny sokajy […]

Fifaninana any Thaïlande: nahazo “record national” i Tendry

Mivoatra hatrany ny Malagasy mpilomano, Tendrinavalona Idealy, amin’ny fiofanana izay ataony any Thaïlande, eo amin’ny taranja lomano. Vao avy niatrika fifaninanana iray izy tamin’ity herinandro ity ary nahazo “record national” sy nahavita nanatsara ny zava-bitany. Teo amin’ny 200 m Dos no nahavitany izany, tamin’ny fe-potoana 2’25” 47 raha toa ka […]