Fanatajahantena

« Cosafa Cup » : lalao am-boninahitra sisa no ataon’i Madagasikara

Fiarovana ny voninahitra sisa no lalao miandry ny Barea amin’ity fifaninanana « Cosafa Cup », taranja baolina kitra, sokajy vehivavy ity. Faharesena faharoa izay no azon’izy ireo, lavon’i Afrika Atsimo, mpampiantrano tamin’isa 3 no ho 1 i Madagasika­ra, nandritra ny andro faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy “A”, izay natao ny sabotsy […]

Kitra – D2 Nasionaly: tafita OPL ny KFCA Diana sy ny FC Inate Vakinankaratra

Nifarana omaly alahady, tao amin’ny kianjan’i Barika­dimy Toamasina ny fifaninanana “Poule des AS”, ho an’ny diviziona faharoa, taranja baolina kitra eto amintsika. No­rombahin’ny KFCA Diana ny amboarabe sy ny lelavola 6 tapitrisa Ariary rehefa lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny FC JM Androy. Ny ekipan’ny FC Inate […]

“World Jiu-Jitsu Championship »: Hifaninana amin’ny “Amateurs” ihany koa ny Malagasy

Ao anatin’ny fanomanantena tanteraka, hiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena “World Jiu-Jitsu Championship” hatao any Abu Dhabi, amin’izao, ireo solontena malagasy. Araka ny tapaky ny avy eo anivon’ny kaomisiona teknika manaraka akaiky ireo Malagasy mpikatroka ireo, handray anjara amin’ny sokajy “Amateurs” ihany koa ny Malagasy. I Christian, tepana fotsy, -62 kg, i […]

Basikety”Road to BAL” : voalohany ao amin’ny vondrona E ny Cospn

Vokatra tsara no azon’ny ekipa malagasy, Cospn Madagasikara, niatrika ny dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny “Road to BAL” 2023, taranja basikety. Fifaninanana nizotra teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, nanomboka ny 6 oktobra lasa teo ary nifarana omaly alahady. Ekipa 3 no nifaninana tao amin’ny vondrona E, nahitana ny Beau Vallon Heat […]

Volley-“Coupe de Mada” : hatao any Mahajanga manomboka ny 27 oktobra

Ny ligin’i Boeny no handray ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, amin’ity taona ity. Fifaninanana hotanterahina ny 27 oktobra hatramin’ny 4 novambra izao, ao amin’ny kianja “complexe sportif” Am­pisikinana Mahajanga. Ny sokajy lahy sy vavy no hifaninana ary misokatra ho an’ny klioba rehetra manerana ny ligim-paritra rehetra. Fifanina­nana mamaramparana […]