Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2023, ny FTM Manjakaray (Dakar), eo amin’ny taranja rugby. Resiny teo amin’ny famaranana ny Cosfa (Bebaoty). Norombahiny ny lelavola 3 tapitrisa Ar sy ny amboara lehibe. 5 taona aty aoriana, niverina eo am-pelantanan’ny FTM Manjakaray indray ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara azy, eo amin’ny taranja rugby. […]
Fanatajahantena
Rugby – XXL Top 20 : hiady ny amboarabe ny FTM sy ny Cosfa
Hotanterahina rahampitso eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny famaranana ny fifananana XXL Top 20, taranja Rugby. Hifanandrina amin’izany, ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa Miaramila. Lalao tena andrasan’ny maro efa ela, izy ireo no ekipa roa tsy mbola resy mihitsy nandritra ny fihaonana rehetra nataony nandritra ny fifanintsanana. Ny mpilalaon’ny […]
“Road to BAL” : hifandona anio amin’ i Comores ny Cospn
Hiditra amin’ny andro faharoa, anio, sabotsy 7 oktobra, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana voalohany amin’ny fifanintsananan’ny “Road to BAL”, taranja basikety. Anio vao hiditra an-tsehatra ny ekipa malagasy, Cospn, ka ny Ushindzi Comores no hifanandrina aminy. Tsiahivina fa efa niatrika lalao, omaly, nanoloana ny Beau Vallon Heat Seychelles, […]
Judo – “Monde Juniors”: resy teo amin’ny fihodinana voalohany i Lova Mahaisoa
Niditra an-tsehatra, omaly, ny solontena malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, taranja Judo. Niatrika izany voalohany, Randrianasolo Lova Mahaisoa. Teo amin’ny fihodinana voalohany no resy nanoloana ny mpifanandrina taminy, sokajy latsaky ny 73 kg, lehilahy, ny solontena malagasy, Randrianasolo Lova Mahaisoa. Mpifanandrina anisan’ny tena nahery ka tsy […]
« World Jiu-Jitsu Championship” : miampy roa ny solontenan’ny Malagasy
Efa miroso amin’ny fampivondronana indray izao ireo Malagasy mpikatroka, hiatrika ny “World Jiu-Jitsu Championship”. Fifaninanana hotanterahina any Abu Dhabi, manomboka ny 1 novambra izao. Raha ny vaovao avy amin’ny federasiona malagasin’ny Jiu-Jitsu, misy mpikatroka mianadahy vonona hianto-tena ka hanampy ny ekipa nasionaly hihazo an’i Abu Dhabi, ahitana an’i Linjo, sokajy […]




