Fanatajahantena

Malagasy mpitsara : nitsara ny lalaon’i Zambia sy i Mozambika

Manomboka mipetraka ny fahatokisana ny Malagasy amin’ny sehatra baolina kitra eto Afrika. Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, omaly. Notendrena hitsara ny lalao nifanandrinan’i Zambia sy Mozambika, ireo Malagasy roa, mirahavavy, amin’ny fifaninanana “Cosafa Cup”, sokajy vehivavy, izay atao atsy Afrika Atsimo ny 4-15 oktobra ho avy […]

« Cosafa Cup »: hifanandrina amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara

Fanamby goavana ny miandry ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, rahampitso. Mila mandresy an’i Afrika Atsimo mpampiantrano izy ireo, raha tiany ny hanana fanantenana ny ho tafita amin’ny dingana manaraka amin’ity “Cosafa Women’s Cup” ity. Lavon’i Estwani tamin’isa 2 no ho 1 i Madagasikara tamin’ny andro voalohany. Hotanterahina rahampitso ny andro […]

Rugby vehivavy: manao andrana any Frantsa i Razafy Loula

Araka ny vaovao navoakan’i Azzouz Aib, tale jeneralin’ny Afrika Rugby, omaly, tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’ny Malagasy Rugby. Hanao andrana ao amin’ny klioban’ny Joue-lès- Tours France, Razafy Loula, Malagasy vehivavy mpilalao Rugby. Araka ny fanazavana azo tamin’ny tale teknika nasionalin’ny Malagasy Rugby, haharitra telo volana eo ity andrana ity ary aorian’io no […]

“Road to BAL” : vonona ho any amin’ny “Elites 16” ny Cospn

Hanomboka rahampitso 6 oktobra, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny dingana voalohany, amin’ny fifanintsanan’ny “Road to BAL”, 2023, taranja basikety. Efa vonona tanteraka ny ekipan’ny Cospn. Efa ela no nanomanana ity fifaninanana hatao eto Madagasi­kara ity, ny ekipa malagasy, ny Cospn (Club Omnisport de la Police Nationale), araka ny nambaran’ny […]

« Cosafa women’s Cup » : resin’i Eswatini i Madagasikara

Ratsy fanombohana ny vehivavy Barea de Madagascar teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika “cosafa cup”. Resin’i Eswatini, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny tovovavy malagasy. Fihaonana notanterahina omaly, tatsy Afrika Atsimo ho an’ny vondrona “A”. Nanokatra ny isa voalohany anefa ny […]