Fanatajahantena

Kitra – «Can 2024»: nahitsy ho 27 ny isan’ny mpilalao

Nanambara ny kaonfederasiona afrikanina, taranja baolina kitra, (CAF) ny zoma lasa teo, tany Egypta, fa nahitsy ho 27 ny isan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024) fa tsy 23 toy ny teo aloha. Zava-baovao amin’ity fifaninanana ity izany fanapahan-kevitra noraisina […]

AJS Mada Tsiadana : misarika ny ankizy hitia fanatanjahantena

Feno dimy taona ny sekoly rugby, Association des Jeunes Sportifs (AJS) Mada eny Tsiadana. Miezaka mitaiza sy mamolavola ny ankizy sy ny tanora hitia fanatanjahantena izy ireo. Hotontosaina ny alahady 24 desambra ho avy izao, eny amin’ny kianjan’ny Oniversite Ankatso, ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny Association des Jeunes Sportifs […]

Kitra –Balary Stadium : lasan’ny Miray FC ny 1 tapitrisa Ariary

Nankalaza ny tsingerin-taona voalohany, ny alahady 17 desambra lasa teo, ny kianja Balary Stadium Anosi­zato. Nanamarihana izany ny fifaninanana baolina kitra ho an’olona 9, nifanandrinan’ireo ekipa 48 nisoratra anarana. Norombahin’ny Miray FC ny lelavola 1 tapitrisa Ar, rehefa nandresy ny RMD, tamin’ny isa 2 no ho 1, teo amin’ny famaranana. […]

Échecs-Mada 2023 : nisongadina ny klioban’ny MCG

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lalaon-tsaina Échecs. Ny sokajy Blitz sy Rapide no nifaninana tamin’izany ka nisongadina hatrany ny klioban’ny MCG. Mpilalao avy amin’ity klioba ity avokoa no voahosotra ho tompondaka na teo amin’ny Blitz izany, na teo amin’ny Rapide. Ho an’ny […]

Atletisma – Taom-pilalaovana 2023 : nankatoavin’ny ligim-paritra 11 ny asa vitan’ny federasiona

Afaka manohy ny asany ara-dalàna ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA). Nankatoavin’ireo ligim-paritra 11 ny asa vitany nandritra ny taom-pilalaovana 2023. Betsaka ny asa miandry, anisan’izany ny lalao Olympika, “JO 2024”, any Paris France. Notanterahina tetsy amin’ny kianja Alarobia, ny alahady lasa teo, ny fivoriambe ara-potoanan’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA). Nanatrika […]