Fanatajahantena

Kitra – “Fenêtre FIFA” : tsy voaantso Barea i Berajo sy i Tendry, naverina i Metanire

Afaka efatra andro, hisokatra ny lalao ara-pirahalahiana anatin’ny “fenêtre FIFA”. Raha ho an’ny Barea de Madagascar, manomboka ny 9-17 oktobra izany, any Marôc. Nivoaka tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, ny lisitr’ireo mpilalao 22 voaantso Barea de Madagas­car. Miisa 11 ireo milalao eto an-toerana ary 11 ireo […]

Kitra – D2 Nasionaly : hanomboka anio ny “Poule des As”

Hotanterahina manomboka anio, ao amin’ny kianjan’i Bari­ka­dimy Toamasina, ny andro voalohany amin’ny fifaninanana « Poule des As » D2 Na­sionaly, taranja baolina kitra. Lalao roa no handeha any an-toerana. Hifanandrina voalohany amin’izany ny FC Inate Vakinankaratra sy ny KFCA Diana. Ny fihaonan’ny FC JM Androy sy ny 3FB Alaotra Mangoro ny faharoa. […]

Tenisy – “ITF World tour junior”: tafita amin’ny manasa-dalana i Mirija sy i Tefy

Manohy ny lalany i Mirija sy i Tefy, eo amin’ny fiadiana ny “ITF World tour Junior”, taranja tenisy. Tafita amin’ny dingana manasa-dalana eo amin’ny olon-tokana lehilahy, izy rehefa nandresy ilay Indianina, tamin’ny seta 2 no ho 0. Nitohy omaly talata, teny amin’ny kianja COT Ila­fy, ny fifaninanana hiadiana ny “ITF […]

Rabibisoa Jerry Pepin : milalao ao amin’ny klioba BCM ao Frantsa

Ny alahady alina teo no nanainga teto an-tanindrazana hihazo an’i Frantsa, Rabibisoa Jerry Pepin, Malagasy mpilalao basikety, klioban’ny Cospn. Efa nigadona ao Frantsa izy ary efa tongasoa ao amin’ny klioban’ny BCM, ao Gravelines. Tsiahivina fa ny volana aogositra lasa teo no efa fantatra fa nahazo fifanarahana tamin’ity klioba goavana ity […]