Notontosaina nanomboka ny alatsinainy 27 novambra teo, teny Mahamasina, ny fifantenana ireo mpilalao miisa 60. Nahasarika ny vahiny ny fahaizan’ny Malagasy ny taranja baolina kitra. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny valandresaka niarahana tamin’ireo vahiny teknisianina miisa 4. Ahitana an’i Abdenord Belkaci, Losc Lille D1 France, i Wassim Gharmoul, White Caps […]
Fanatajahantena
Karate-Mada 2023 : mpikatroka 250 hifaninana any Toamasina
Fandaharam-potoana farany amin’ity taona 2023 ity, eto an-toerana, ho an’ny taranja karate, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, kata sy kumite, amin’ny sokajy rehetra. Fifaninanana hotontosaina any Toamasina, manomboka anio 30 novambra hatramin’ny 2 desambra izao. Mpikatroka manodidina ny 250, avy amin’ny ligy 18 no ho avy any an-toeana, mandritra […]
kitra – Antananarivo : ny sabotsy ho avy izao ny fifaninanana
Hotanterahina eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny ligin’Analamanga, mpikarakara ny fifaninanana, dia hisy lalao enina eo eny an-toerana amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanokatra izany ny fihaonana eo amin’ny Cosfa sy ny US […]
Tsipy kanetibe : nosazian’ny Federasiona iraisam-pirenena i Amiroudine
Natsahatry ny Federasiona iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe, amin’ny asa maha filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) azy, Andrialemirovason Amiroudine. Tsy misy mpitantana aloha izany ny tsipy kanetibe malagasy. Ny sabotsy 25 novambra lasa teo, nandefa taratasy fampahafantarana tamin’ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM), i Claude Azema, filohan’ny Federasiona iraisam-pirenena (FIPJP), fa voasazy ary […]
African School Football Championship: hanafika atsy Zimbabwe ny kilonga malagasy
Hampiantrano ny fifaninanana afrikanina “African School Football Championship”, taranja baolina kitra, natokana ho an’ny mpianatra, i Harare Zimbabwe. Hotanterahina ny 14 ka hatramin’ny 16 desambra izany, araka ny tapaky ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Kaonfederasiona afrikana ny baolina kitra (CAF). Anisan’ireo handray anjara amin’izany ireo kilonga malagasy. Sambany no hiatrika […]





