Manomboka miverina miditra tsikelikely amin’ny sehatra matihanina indray, tamin’ity taona 2023 ity, ny Malagasy mpikatroka, eo amin’ny taranja kick boxing. Malagasy mpikatroka maromaro amin’izao fotoana no miatrika izay ady matihanina izay any Chine, anisan’izany i Rojo. Efa any Chine izy amin’izao fotoana ary manoman-tena fatratra hiatrika izany ady izany. Araka […]
Fanatajahantena
Grand Tournoi Antananarivo : lavon’ny FC Rouge ny Ajesaia
Nifarana omaly, teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny andro voalohany, fifaninanana baolina kitra “Grand Tournoi Antananarivo”. Lavon’ny FC Rouge tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0 ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava “OPL”. Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, nanindry tanteraka ny ekipan’ny FC Rouge teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany ny baolina tafiditr’i Pito, […]
Rugby – Amboaran’i Madagasikara: resin’ny Uscar tamin’ny moka fohy ny TFA Anatihazo
Nahavory olona maro ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara natao teny Andohatapenaka omaly. Tsy napoizin’ny rehetra teny an-toerana ny voka-dalao. Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ireo lalao ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Nivoaka sempotra vao afaka ny Uscar, nanoloana ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Nisaraka, Tamin’ny […]
Judo-“Grand Slam” : Nihaona tamin’ny Sensei Ku Akirakai, Rasoanaivo Laura
Niatrika ny fifaninanana “Grand Slam de Tokyo” tany Japon, ny faran’ny herinandro teo, Rasoanaivo Razafy Laura. Teo amin’ny sokajy -70 kg, Senior no nifaninanany. Raha hiverenana ny vokatra, niady tamin’ilay Judokas Grika, laharana fahefatra maneran-tany, ity Malagasy mpikatroka ity. Noho ny traikefa efa ananan’ny mpifanandrina taminy, resy Rasoanaivo Laura. Nambarany […]
Fiba 3×3-Africa Cup : laharana fahatelo ny Ankoay lahy sy vavy
Nifarana omaly alahady, tany Le Caire, Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety lalaovin’olona 3. Laharana fahatelo avokoa ny Ankoay lahy sy vavy. Medaly alimo avokoa no norombahan’izy ireo, na ny teo amin’ny sokajy vehivavy izany, na teo amin’ny sokajy lehilahy. Samy niatrika ny lalao fiadian-toerana fahatelo izy ireo. […]





