Tsy mbola voatendry hatramin’izao izay ho mpanazatra ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fanohizana ireo lalao iraisam-pirenena manaraka. Mifamahofaho be ny resaka saingy heno fa mety ho ny Me Rôrô ihany no hotazomin’ny FMF. Tsy manana mpanazatra ny Barea de Madagascar amin’izao fotoana izao. Tsy mbola nisy fanendrena nataon’ny Federasiona […]
Fanatajahantena
« Mondial Jiu-Jiutsu Bresilien »: mpikatroka 22 miatrika fampivondronana
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Jiu-Jiutsu, afaka fotoana fohy, ny Malagasy mpikatroka eo amin’ity taranja ity. Ho fanomanana izany fifaninanana goavana izany, mpikatroka 22, avy amin’ny klioba 7 no mivondrona, hitiliana izay hisolo tena an’i Madagasikara. Ny Federasiona malagasin’ny JJB no mikarakara izany fampivondronana izany, izay manao […]
Basikety-U20, lehilahy : tompondaka ny ASS Menabe
Fahombiazana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, lehilahy, notontosaina tany Mahajanga. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny ASS Menabe rehefa tafavoaka ho mpandresy nandritra ny lalao famaranana. Raha hiverenena izay lalao famaranana izay, isa 59 no ho 56 no nandresen’ny ASS ny ekipan’ny AKBB Analamanga. Norombahin’ny mpilalaon’ny […]
« Run » – Dingana fahatelo : voalohany i Brayan teo amin’ny sokajy zandriny
Zandriny indrindra tamin’ireo mpifaninana saingy nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy nisy azy i Brayan Ratsivahiny, nandritra ny dingana fahatelo, fifaninanam-pirenena “Run”. Tafiditra ao anatin’ireo hiady ny ho tompondakan’i Madagasikara, araka izany, izy. Notanterahina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Base 213 Arivonimamo, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho […]
Kitra « D2 National »: misongadina ny JSA Ihorombe
Notanterahina nanomboka ny zoma sy omaly, tany Mahajanga sy Antsirabe ny andro faharoa, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra eto Madagasikara. Anisan’ireo klioba nahazo fandresena roa tamin’ity fifaninanana ity, ny JSA Ihorombe. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2, ny GJFT Atsimo Andrefana, teo amin’ny andro voalohany izay natao […]




