Fanatajahantena

tournoi d’Antananarivo : hanomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, manomboka anio sy rahampitso, ny fifaninanana “Grand tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny ligin’Analamanga, mpikarakara ny fifaninanana dia hisy lalao enina eo eny an-toerana amin’ity faran’ ny herinandro ity. Marihina fa miisa 16 ireo klioba mandray anjara amin’ity fifanintsanana ity. Mahatratra fito […]

Rugby – Amboaran’i Madagasikara : hanohitra ny Bebaoty ny Boaikely manohitra

Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis avokoa ny sain’ny rehetra amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra eo mantsy ireo ekipa 4 hiatrika ny lalao manasa-dalana hiadina ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Hotanterahina etsy amin’ ny kianja Makis Ando­hatapenaka, rahampi­tso alahady 3 desambra, ny lalao ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madaga­sikara, taranja rugby. […]

Basikety: nodimandry omaly ny Coach Bomba

Misaona ny tontolon’ny basikety malagasy. Nodimandry omaly, tao amin’ny hôpitaly HJRA, Randriamanalina Heri­lanto, fantatry ny maro amin’ny anarana Coach Bomba. Araka ny loharanom-baovao, tojo tsy fahasalamana ny tenany ka naiditra hopitaly, indrisy, izao tsy tana izao ny ainy. Tsy nilaza mazava ny aretina nahazo azy ny fiana­kaviany. Fantatra teo amin’ny […]