Nifarana ny alahady lasa teo, teto Analamanga, ny andiany fahefatra amin’ny Trail – UTCS. Nisongadina ny zava-bitan’ i Hobilalaina, nandrombaka ny fandresena, teo amin’ny Ultra tour, mirefy 122 km. Tontosany tao anatin’ny 11 ora 02 mn 55 s, izany. Atleta avy amin’ny klioba Crown Vakinankaratra no tonga faharoa sy fahatelo, […]
Fanatajahantena
Basikety – Africa 3×3 : hiaro ny voninahi-pirenena any Egypte ny Ankoay
Taorian’ny taona 2022, tonga indray ity ny fotoana hiatrehan’ny Ankoay ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika 3×3. Efa vonona tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy. Nianga omaly teto an-tanindrazana hihazo any Le Caire Egypte ny ekipam-pirenena Ankoay, sokajy lehilahy sy vehivavy. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “FIBA Africa 3×3”, taranja basikety, […]
Academy Kids : manomana ankizy ho matihanina
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo, tetsy Andravoahangy, ny Academy Kids, ivontoerana manabe ireo kilonga amin’ny ping-pong. Notsiahivin-dRaobison Hervé, filoha mpanorina sady efa filohan’ny federasiona teo aloha, fa efa tamin’ ny volana janoary no niasa izy ity. Tanjona ny hanomanana dieny izao ireo ankizy hiatrika ny fiadiana ny […]
Lomano-Analamanga : hanokatra ny taom-pikatrohana 2023
Hetsika voalohany karakarain’ny ligin’Analamanga, taranja lomano, ny « Coupe de Noël », hatao ny 17 desambra ho avy izao. Fifaninanana hotanterahina ao amin’ny dobo filomanosan’ny ANS (Akademia nasionalin’ny spaoro) Ampefiloha. Ankoatra ny maha « Coupe de Noël » azy, amin’io koa ny fifaninanana hanokafana ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny ligin’Analamanga. Mba hahatomombana antsakany […]
Rugby – Amboaran’i Madagasikara: andrasan’ny maro ny fihaonan’ny USA sy ny FTM
Taorian’ny lalao ampahavalon-dalana izay natao ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, nisy ny antsapaka natao. Efa fantatra avokoa, araka izany, ireo lalao efatra. Hotanterahina ny alahady 3 desambra ho avy izao, eny Andohatapenaka, ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2023, taranja rugby. Anisan’ireo lalao roa tena […]





