Fanatajahantena

“Road to BAL” : Tapitra hatreo ny lalan’ny Cospn

Nifarana hatreo ny lalan’ny Malagasy, ekipa solontena amin’ny fifaninanana “Road to BAL 2024”, taranja basikety. Nolavoin’ny Dynamo Burundi, teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo izy ireo. Isa iray monja no namoizan’ny Malagasy ny nofinofiny hiatrika ny fifaninanana “Basket-ball Africa League”, taona 2024. Tamin’ isa 79 no ho 78 no nandresen’ny ekipan’ny Dynamo […]

Amboaran’i Madagasikara: Ekipa valo hanao lalao sakana amin’ny rugby

Hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Hiady lohany amin’izany ireo ekipa 12 voalohany sangany amin’ny “Top 12”. Araka ny fandaminana napetraky ny Malagasy Rug­by, hanao ny lalao sakana ireo ekipa nitana ny laharana fahadimy ka hatramin’ny fahavalo, niatrika […]

CUA – «Orange Challenge» : hatao rahampitso ny lalao famaranana

Hifarana rahampitso, eny amin’ny kianjan’Alarobia, ny fifaninanana “Orange Challenge U-17 2023”, taranja baolina kitra. Hihaona eo amin’ny lalao famaranana amin’ity fifanintsanana ity, ny AS Jet Mada sy ny AS Etoile Filante. Raha hiverenana ny manasa-dalan’izy ireo, izay notontosaina ny alahady 19 novambra lasa teo, teny an-toerana ihany. Lavon’ny AS Jet […]

“Road to BAL”-Elite 16 : vonona handresy ny Cape Town Tigers ny Cospn

Hotontosaina anio, ao Johannesburg Afrika Atsimo, ny dingana manasa-dalana amin’ny “Elite 16”, lalao fifanintsanan’ny “Road to BAL” 2024, ho an’ny faritra Atsinanana. Hifandona amin’ny Cape Town Tigers ny Cospn Madagasikara. Ekipa tompon-tanàna ity hihaona amin’i Madagasikara, amin’ny manasa-dalana anio ity, amin’ny 6 ora hariva, ora eto an-toerana. Na izany aza, maneho […]

Rakool : handeha ho any Frantsa

Nambaran’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora, teny Mahamasina, omaly, fa efa nahazo taratasy “visa”, Razafindranaivo Koloina na Rakool, malagasy mpilalao baolina kitra. Hilalao any amin’ny klioba frantsay, Athletic Club Arlésien (D6) ity Malagasy lohalaharana ity. Maharitra herintaona eo ny fifanarahana ary azo havaozina izany. Marihina fa tao amin’ny Five FC […]