Fanatajahantena

“Road to BAL”-Elite 16 : tafakatra amin’ny manasa-dalana ny Cospn

Mitohy hatrany ny lalan’ny Cospn, ao anatin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapaki­lan’ny “Road to BAL” 2024, taranja basikety. Nandresy ny JBC Zimbabwe indray ny malagasy, omaly, tao Johannes­burg, Afrika, ka hiatrika ny lalao manasa-dalana.Tapakila ho amin’ny manasa-dalana “Division East” no azon’ny Cospn taorian’ny nahazoana ny fandresena nanoloana ny JBC Zimbabwe, tamin’ny […]

Tenisy – « Mada 2023 »: hotolorana 500 000 Ar izay tompondaka

Hotanterahina ao amin’ny Club olympique de Tananarive (COT), Ankadikely Ilafy, ny 27 novambra – 3 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Raha ny vaovao voaray teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT), omaly, tetsy Ambohidahy. Hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary sy loka maro avy amin’ny […]

“Baolina kitra mahatafita” : hitily mpilalao eto Madagasikara ny klioba frantsay, Losc Lille

Ho tonga eto Madagasikara hitily mpilalao miisa 60 ireo vahiny teknisianina miisa efatra. Hanomboka ny alatsinainy ho avy izao ny fitsapana ho an’ireo Malagasy mpilalao baolina kitra. Ho fampivoarana ny baolina kitra malagasy sy ho fampiakarana ny isan’ireo Malagasy mpilalao mila ravinahitra any ivelany, nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny kianjan’ny Barea […]

Judo-Tomokazu Iwahori : nifarana ny iraka nataony teto Madagasikara

Niasa an-tsitrapo ho an’ny taranja judo teto Mada­ga­si­kara, ny Sensei Tomokazu Iwahori, ilay mpanazatra teratany japoney. Nandritra ny taona vitsivitsy izy no nanampy ny Federasiona malaga­sin’ny judo, teo amin’ny lafiny teknika sy nanampy ny ekipam-pirenena malagasy niatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro. Nifarana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity izany iraka nataony ho an’ny […]

“Orange Pro League” : hanomboka ny volana janoary

Nambaran’ny filohan’ny Clubs de foot-ball élite de Ma­da­gascar, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, fa ha­nom­boka ny volana janoary 2024, ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra. Araka ny efa nambarany, misy ny fanovana hatao amin’ity fifaninanana ity. Anisan’izany ny hampiraisana ireo klioba rehetra mifaninana amin’ny OPL ao anaty […]