Nahomby ny ekipan’ny Cospn omaly, nanoloana ny Ferroviario Mozambika. Ao anatin’ny fifanintsanana “Élite 16”, hahazoana ny tapakila hiatrehina ny “Road to BAL” 2024, taranja basikety. Nandresy tamin’ny isa 88 no ho 57 ny Malagasy. Hatrany am-piandohan’ ny lalao no efa nanantombo ny Cospn ary voatazony hatramin’ny fiafaran’ ny fihaonana izany […]
Fanatajahantena
Fifanintsanana « Mondial 2026 »: hifanandrina amin’i Comores i Madagasikara
Notanterahina ny alatsinainy lasa teo ny andro faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona hiatrehana ny “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Raha ho an’ny sokajy “I”, nahazo isa telo i Madagasikara rehefa nandresy an’i Tchad tamin’ny isa 3 no ho 0, tany Maroc. Ny ekipam-pirenen’i Comores no hifanandrina amin’ny Malagasy mpilalao, ny volana jona […]
Amboaran’i Madagasikara : hanala vela amin’ny Tam ny Mang’Art
Hanomboka ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Rugby. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Tam Anosibe sy ny Mang’Art Manjakaray. Mbola manala vela amin’ny ekipan’Anosibe ny mpilalaon’i Manjakaray. Lavon’ny Tam tany amin’ny segoandra farany ny Mang’Art nandritra ny ampahavalon-dalan’ny […]
“Road to BAL” – Elites 16 : resin’ny City Oilers 81 no ho 76 ny Cospn
Niditra an-tsehatra omaly, ao anatin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanana amin’ny “Road to BAL”, Elites 16, taranja Basikety, ny Cospn Madagasikara. Fifaninanana tontosaina any Johannesburg, Afrika Atsimo. Isa 5 monja ny nandavoan’ ny City Oilers avy ao Ouganda ny ekipan’ny Cospn Madagasikara, nandritra ny andro voalohany, omaly. Niady tanteraka ny fihaonana ary […]
Taranja tolona : handeha ho any La Réunion i Sarah sy Nathalie
Tsy mbola mifarana ny taom-pilalaovana 2022-2023 ho an’ny taranja tolona. Hiatrika fifaninanana “tournoi de Noël” any La Réunion i Randrianandrasana Sarah Brillante, sokajy latsaky ny 73 kg sy Rasoanomenjanahary Nathalie (-53 kg). Fifaninanana izay hatao ny 2 sy 3 desambra ho avy izao. Raha ny fanazavana azo tamin’ny filohan’ny Federasiona […]





