Mpikatroka Malagasy eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu Brésilien, i Arindra. Vao herintaona monja izy no niditra teo amin’ny tontolon’ny JJB ary nandray anjara tamin’ny “Open d’Afrique” natao tany Maorisy farany teo. Naneho ny fahafaham-pony i Arindra tamin’ny medaly volafotsy roa norombahany. “Afapo aho na dia tsy nahazo ny anaram-boninahitra aza”, hoy […]
Fanatajahantena
Trail – UCTS 2023 : Renione 15 hanafika eto Madagasikara
Raikitra indray! Hotanterahana eto Madagasikara afaka hateloana ny Trail- Ultra Trek des collines sacrées 2023. Mandray anjara mavitrika ry zareo avy atsy La Réunion. Nampahafantarina tetsy Antananinarenina, ny alahady lasa teo, fa hotanterahina ny 24 ka hatramin’ny 26 novambra ho avy izao, ny andiany fahefatra amin’ny Trail – Ultra Trek […]
Atletisma: herintaona nihazakazahana i Aina dia nahazo medaly volamena
Andrianjafy Ny Aina Anna, 16 taona, atletan’ny TAF Analamanga. Anisan’ireo zandriny indrindra niatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, teto Madagasikara. Tsy diso safidy ny Federasiona malagasy sy ireo teknisianina nifantina azy satria nitondra avo ny lazan’i Madagasikara ny tovovavy. Nahazo ny medaly volamena teo amin’ny 4 x 400 m sy ny […]
Tsipy kanetibe : mitaky ny volany amin’ny FIPJP ny FSBM
Ny sabotsy lasa teo, nandefa taratasy any amin’ny filohan’ny Federation international de pétanque et jeu provençal (FIPJP), ny mpitantana ny tsipy kanetibe malagasy (Federation sport-boule malagasy). Ho setrin’ny tsy famelana ny ekipam-pirenena malagasy handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy “junior”, lehilahy sy “senior”, vehivavy, takiny […]
Basikety 3×3: manoman-tena fatratra ny Ankoay
Higadona afaka tapa-bolana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, handraisan’i Madagasikara anjara. Fifaninanana hotanterahina any Le Caire Egypta, ny 1 hatramin’ny 3 desambra ho avy izao. Samy handray anjara avokoa ny Ankoay lahy sy vavy ary efa fantatra ireo firenena iray vondrona aminy. Araka ny hita etsy amin’ny […]





