Nanomboka omaly ny fifanintsanana hiadina ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Resin’ny Black Star avy any Ghana tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara. Niady mafy saingy nanao ny tsy nambinina ny Barean’i Madagascar, omaly. Lavon’ny Black Star avy ao Ghana, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy […]
Fanatajahantena
“Fifanintsanana Mondial” : hihaona anio i Madagasikara sy i Ghana
Hanomboka anio ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Lalao voalohany ho an’i Madagasikara ny fifanandrinany amin’i Ghana. Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’i Baba Yara Kumasi Ghana, ny fihaonana eo amin’i Madagasikara sy i Ghana, taranja baolina kitra. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ho […]
Tenisy sokajy vehivavy: misongadina i Madagasikara
Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay notanterahina teto amintsika, ny 25 aogositra -3 septambra lasa teo, ka nahazoan’ny vehivavy mpilalao tenisy ny medaly volamena roa. Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena indray ireo Malagasy, vehivavy mpilalao, ity taranja ity. Raha ho an-dRazafinarivo Mirindra, nahazo amboara telo tamin’ny fifaninanana telo natrehany, ho an’ny lalaon’olon-tokana […]
BAREA : nanomboka omaly ny fanazaran-tena
Afaka roa andro, hanomboka ny fifanintsanana ny hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny « Mondial Etats Unis 2026 », taranja baolina kitra, aty Afrika. Efa nanomboka nanao ny fanazaran-tenany tany Accra Ghana ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy. Marihina fa hifanandrina voalohany amin’izy ireo mandritra ity fifanintsanana ity ny ekipa nasionalin’i Ghana, Black Star, […]
Tsipy kanetibe – PPF 2024: hiatrika ny famaranana lehibe i Lahatra sy Ra-Chre
Na mbola ao anatin’ny sazy aza ny federasiona sport-boule malagasy (FSBM), misy mpilalao mitondra ny lazan’i Madagasikara any Frantsa. Fantatra mantsy fa hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny PPF 2024 i Lahatra sy Ra-Chre. Taorian’ny fahavitan’ny taom-pilalaovana 2023, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny taranja tsipy kanetibe “Passion Pétanque Française 2024” (PPF), ny […]





