Anisan’ireo taranja tsy nandraisana anjara tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, ny baolina kitra, vehivavy. Tsy mijanona anefa ny fifaninanana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, handray anjara amin’ny Cosafa izy ireo. Taorian’ny antsapaka natao ny alakamisy 14 septambra lasa teo, ao anatin’ny vondrona A i Madagasikara amin’ny fifaninanana « Cosafa Women’s […]
Fanatajahantena
Fonjamby-Rosina sy Claudio : “Fahaizana mifanohana no antoky ny fahombiazana”
Mpivady samy misehatra eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, Randafiarison Rosina sy Randrianavalona Claudio. Nambaran’izy roa fa ny fahaizana mifanohana no antoky ny fandresena sy ny fahombiazana azo rehefa miatrika fifaninanana. Tena mila fahaizana mandamina fotoana ihany koa satria sady mikarakara tokantrano no mikotrana. « Mifanampy amin’ny zavatra rehetra », hoy i Rosina. […]
Rugby Mondial 2023: hidona i Nouvelle Zélande sy i Namibie
Hotanterahina anio, any Frantsa, ny andro faharoan’ny vondrona « A », amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “World Rugby Cup 2023”. Anisan’ireo lalao heverina ho toy ny famaranana kely ny fihaonan’ny All Blacks, Nouvelle Zélande sy i Namibie, solontenan’i Afrika. Tsiahivina fa ny ekipan’ny All Blacks, lavon’ny XV Bleus France, tamin’ny isa […]
Fifidianana filohan’ny FMF : miisa dimy ny kandidà hofidin’ireo ligy 22
Taorian’ireo kandidà telo, fantatra omaly avokoa ireo olona nirotsaka hofidina izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nifarana omaly tamin’ny 6 ora hariva, teny Isoraka, ny fe-potoana nomena ireo olona hirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny FMF, miisa dimy […]
Rugby à 7 – Fifanintsanana JO 2024 : hanainga anio ny Makis de Madagascar
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Malagasy Rugby, hanainga anio alakamisy, hihazo an’i Zimbabwe ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy. Hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila ho an’ny lalao Olympika “JO 2024”, tanterahina any Paris Frantsa no anton-dian’izy ireo. 12 mirahalahy no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Mpilalao efa zatra fihaonana iraisam-pirenena […]





