Araka ny fantatra, omaly, teny Isoraka, miisa telo ireo kandidà efa nandefa ny taratasy filatsahan-kofidiny ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Anisan’izany, ny kandidà fahatelo, Randriamanampisoa Alfred, filoha lefitry ny FMF. “Hiezaka ny hanohy ny tsara vitan’ny teo aloha isika ary hanao tetikasa vaovao entina hampandrosoana ny baolina kitra […]
Fanatajahantena
Basikety-Mada Vétérans: misongadina ny ekipan’ny AT2B Analamanga
Mizotra hatrany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety sokajy « vétéran » atao any Ambatondrazaka. Misongadina ireo ekipa vaventy, hatramin’izao. Hiditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny sokajy «vétéran», lahy sy vavy. Fifaninanana tanterahina any Ambatondrazaka, ny 10 hatramin’ny 17 […]
Kitra – «Ligue des champions D2 National» : Ekipan’Atsimo Andrefana 2 miray vondrona
Hotontosaina ny 15 ka hatramin’ny 24 septambra ho avy izao, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena “Ligue des champions D2 National”, taranja baolina kitra. Mahajanga sy Vakinankaratra no toerana hampiantrano izany. 12 ireo ekipa hiady lohany amin’izany, hozaraina ao anaty vondrona roa. Miaraka sokajy, ny GJFT Betania sy […]
Rugby – JO 2024: hidona voalohany amin’i Tunisie ny Makis
Navoakan’ny Rugby Afrique, tao amin’ny tambajotra seraserany, ny alatsinainy lasa teo, ny fandaharan-dalao amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny lalao Olympika (JO 2024), ho an’ny rugby, lalaovina olona 7, lehilahy. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Harare Sports Club Zimbabwe, ny 16 sy 17 septambra ho avy izao. Anisan’ireo hiady toerana amin’izany […]
Razafindranaivo Koloina ( Rakool) : notapahan’ny Mouloudia Club Alger ny fifanarahana
Tsy naharitra taona iray dia mody Razafindranaivo Koloina na Rakool. Nofaranan’ny klioba alzerianina, Mouloudia Club Alger, ny fifanarahana taminy. Enim-bolana teo izay no nifindran-dRazafindranaivo Koloina na Rakool, Malagasy mpilalao baolina kitra, tao amin’ny klioba Mouloudia Club Alger (MCA), klioba alzerianina diviziona voalohany. Araka ny fikarohana natao omaly, notapahina tanteraka ny […]





