Notanterahina, omaly, teny amin’ny kianjan’i Betongolo, ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny Club Omnisports des Forces Armées (Cosfa). Anisan’ireo klioba namoaka atleta maro niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny lalaon’ny Nosy izay natao teto amintsika ny 25 aogositra-3 septambra lasa teo ity klioba ity. Araka izany, nanolotra mari-pankasitrahana sy fanohanana ireto Malagasy atleta ireto […]
Fanatajahantena
Handball- Can 2023: hifandona amin’i Algérie ny Akio
Hotanterahina anio, any Monastir Tunisie, ny andro farany amin’ny fifanintsanana isam-bondron’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Handball, sokajy juniors, vehivavy. Anisan’ireo lalao andrasan’ny Malagasy rehetra, ny fihaonan’ny Akio de Madagasikara amin’i Algerie. Marihina fa andro fahadimin’ny vondrona “B” ity fihaonan’ny roa tonta ity. Ny ekipam-pirenena malagasy Akio, farany ao […]
Fifidianana filohan’ny FMF : tsy mbola nisy kandidà tonga nanatitra antontan-taratasy
Hatramin’izao, tsy mbola misy mitonona ho kandidà hifaninana ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nambaran’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana fa tsy misy na iray aza tonga nanatitra ny taratasy filatsahany. Raha tsy misy fiovana farany, amin’ny alakamisy 14 septambra amin’ny 6 ora hariva no hifarana ny fandraisana […]
Rugby Mondial 2023 ; lavon ‘i France i Nouvelle-Zélande
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo, tao amin’ny Stade de France ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Rugby, lehilahy. Tsara fanombohana ny ekipam-pirenena frantsay XV bleus, lavon’izy ireo tamin’ny isa 27 no ho 13 ny All Blacks Nouvelle-Zélande. Raha ho fintinina ny fihaonan’ny roa tonta, roa minitra […]
Rugby – Lalao fihantsiana: resin’i La Réunion ny Makis de Madagascar
Ho fanamarihana ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja rugby, tanterahina any Frantsa, nisy ny lalao fihantsiana nokarakarain’ny Comité rugby réunion. Fihaonana, natao tao amin’ny Stade Julius Bénard, tao St Paul La Réunion, ny zoma lasa teo. Nifandona ny XV Makis sy ny ekipa voafantin’i La Réunion. Afa-bela ry […]





