Fanatajahantena

“Mini Basket”: miisa 63 ireo mpanazatra hofanina

Notanterahina, nanomboka omaly sy anio, teny Mahamasina, ny fampiofanana ireo mpanazatra ny ankizy latsaky ny 12 taona na U-12, tafiditra anatin’ny « Forum National Mini Basket ». Miisa 63 mianadahy izy ireo no misitraka izany fiofanana izany. Raha ny fanazavana nataon’ny tomponandraikitra, Soloharinivo Onja, lehiben’ny kaomisionina « Mini basket » eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny […]

Can 2023-Handball: lavon’ i Tunisie i Madagasikara

Ratsy fanombohana ny Akio de Madagascar, vehivavy juniors, tamin’ity Can 2023, taranja handball atao any Monastir Tunisie, ny 7-14 septambra, ity. Nomontsanin’i Tunisie mpampiantrano tamin’ny isa mavesatra 44 no ho 11 i Madagasikara, omaly. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, nanjakan’ny tonizianina tanteraka ny lalao. Teo amin’ny fidirana voalohany, nanomboka […]

Rugby Mondial 2023: hifanandrina i Frantsa sy i Nouvelle Zélande

Hanomboka anio hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao, any Frantsa, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja rugby, lehilahy. Hanokatra ny lalao amin’izany ny fihaonan’ny XV France, mpampiantrano sy ny All Blacks, Nouvelle Zélande. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Stade de France. Marihina fa mbola manala vela amin’ ny XV France […]

Basikety: hilalao any Etats-Unis i M’Madi sy i Lova

Taorian’ny Mondial U19 izay natao tany Hongrie, ny volana jolay lasa teo, manomboka maro ireo klioba any ivelany no mitily Malagasy mpilalao. Anisan’ireo handeha hifindra lasy any Amerika ry Mathias M’Madi sy Andriatsarafara Lovasoa, Malagasy roa mpilalao basikety. Araka ny fikarohana natao omaly, hiaraka hilalao amin’ny Seward Country Saints, sokajy […]