Fanatajahantena

Rugby – JOI 2024: ho any Zimbabwe ny Makis à 7

Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra lasa teo, hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao olympika Paris 2024, amin’ny taranja Rugby lalaovin’olona fito, ny Makis. Araka ny fanazavana nomen-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, omaly, teny Ivandry, ny 13 septambra ho […]

Fibatana fonjamby: Tanjona ny hahazoana medaly amin’ny lalao Olympika 2024

Nigadona teny Ivato, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro, ny delegasiona malagasin’ny taranja “Haltérophilie”. Avy niatrika ny “Mondial” natao tany Riyad Arabia Saodita izy ireo. «Ny hahazoana me­daly any amin’ny lalao olympika (JOI 2024) izay atao any Paris, ny taona 2024 no tanjona ho ahy», hoy Randafiarison Ro­sina, vehivavy malagasy mpibata […]

Handball – «Can junior 2023»: resy intelo ny Akio de Madagascar

Tsy mbola nahita mangirana mihitsy ny Akio de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023), taranja handball, sokajy “junior”, vehivavy. Fihaonana, tanterahina any Monastir Tunisie, nanomboka ny 7 septambra lasa teo. Resy hatrany ny tovovavy malagasy, tamin’ireo lalao telo natrehiny, tao amin’ny vondrona “B” nisy azy. Ny […]

Kitra: Tapitra ny fitantanan’ny Me Rôrô ny Barea de Madagascar

Nifarana, ny alakamisy 7 septambra lasa teo, ny maha mpanazatra ny Barea de Madagascar an-dRakotondrabe Romual Felix (Rôrô). Miandry izay hisolo azy ny rehtra. Betsaka ny fanehoan-kevitra miseholany mahakasika ity fahataperan’ny fifanarahana aminy ity. Araka ny vaovao voaray, nifarana tamin’ny lalao nikatrohana tamin’ny Palancas Negras-n’i Angola, natao ny alakamisy 7 […]

Kitra – «Ballon d’Or 2023»: tsy tafiditra ao anaty lisitra i Neymar sy i CR7

Namoaka ny anaran’ireo mpilalao baolina kitra, hanaovana ny safidy izay handrombaka ny “ballon d’or 2023”, tao amin’ny tambajotran-tseraserany ny alakamisy lasa teo, ny France foot-ball, mpikarakara izany. 30 ireo mpilalao voafidy ka sambany tao anatin’ny 20 nisian’ity fifaninanana ity, no tsy tafiditra tao anaty lisitra ilay portioge, i Cristiano Ronaldo […]