Nanambara, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny federasiona sport auto Malagasy (FSAM), ny klioba Antananarivo Moto Auto (AMA), ny talata lasa teo, fa tsy hisy ny Rallye karakarain’izy ireo, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity. Noho ny fisian’ny fifidianana ny ho filoham-pirenena tanterahina eto Madagasikara ny anton’izany. Raha tsiahivina, anisan’ireo hiadiana ny ho tompondakam-pirenena ny […]
Fanatajahantena
Atleta sy ny fiainany andavanandro: mitantara ny fanaony Razanamandroso Florentine sy i Mbolalaina
Tapitra tanteraka izay ny lalaon’ny Nosy 2023, miverina miatrika tontolo andro vaovao indray ny atleta malagasy. Milaza ny zavatra ataon’izy ireo i Florentine sy i Mbola Lalaina Jean Aimé. Nifarana ny 3 septambra lasa teo ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay notanterahina teto amintsika. Manomboka miverina amin’ny fiainana andavanandro avokoa […]
Kitra – Fifanintsanana «Can 2024»: vonona handresy an’i Angola ny Barea anio
Hifantoka amin’ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Palancas Negras an’i Angola ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny baolina kitra, anio. Tapa-kevitra ny haka isa 3 ny Barea de Madagascar. Hotanterahina anio, ao amin’ny Stade National de Lubango manomboka amin’ny 7 ora alina eto Madagasikara, ny lalao hifanandrinan’ny […]
Can 2023 – Handball : hifanandrina amin’ i Tunisie ny Akio
Hotanterahina any Monastir Tunisie manomboka rahampitso 7 – 14 septambra, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy juniors vehivavy. Hihaona amin’i Madagasikara voalohany i Tunisie, mpampiantrano. Miisa 10 ireo firenena mandray anjara amin’ity andiany faha-30 ity. Ahitana an’i Madagasikara, i Tunisie, i Algérie, i Mali, i Angola, i […]
Rallye : mitarika i Mathieu Andrianjafy
Dingana 3 izay no tontosa eo amin’ny fifaninanam-pirenena familiana fiarakodia ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Mitarika eo amin’ny mpanamory, Andrianjafy Mathieu mitondra ny fiara Subaru, avy amin’ny Asacm, manana isa 170, 50. Nandraisany anjara avokoa ireo hazakazaka telo efa-tontosa. Raha tsiahivina, nanokatra ny fihaonana ny an’ny klioba FMMSAM, nanana lanjan’isa 1.0, […]





