Efa nandray anjara i Nampoina Daniel, Malagasy judoka jamba, tamin’ny “Tournoi international” natao tany Tokyo Japon, ny desambra 2022. Hifaninana amin’ny “World Games IBSA (International Blind Sports association) indray izy. Fifaninanana hatao any Birmingham, ny 19 hatramin’ny 26 aogositra ho avy izao. Zava-dehibe amin’ i Nampoina ny fandraisany anjara amin’ity […]
Fanatajahantena
Kitra vehivavy – Swiss Girls Cup 2023 : nahazo ny laharana fahatelo ny Yfomac
Notontosaina tany Bern Suisse, ny sabotsy 24 sy ny alahady 25 jona lasa teo ny andiany fahadimy amin’ny «Swiss Girls Cup 2023», taranja baolina kitra. Anisan’ny nandray anjara, nisolo tena an’i Madagasikara ny Young Foot-ball Madera Club (Yfomac), ho an’ny latsaky ny 15 taona. Nandrombaka ny medaly alimo izy ireo. […]
Taranja Teqball : nandrombaka ny medaly volafotsy
Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy, Teqball, nandritra ny andiany faharoa amin’ny lalao afrikanina fanao amin’ny torapasika «Jeux africains de plage 2023». Fihaonana notanterahina tao Hammamet Tunisie, ny 24 ka hatramin’ny 26 jona lasa teo. Nandrombaka ny medaly volafotsy ny ekipa olon-droa miaraka lahy sy vavy, nisy an-dRakotonirina Diarra Spencer Erickson sy […]
Basikety-“World Cup U19” : tapitra teo amin’ny ampahavalon-dalana ny lalan’ny Ankoay
Resin’ny ekipa frantsay teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana ny Ankoay ,omaly. 119 no ho 56 ny isa nisarahan’ny roa tonta. Resy tamin’ny isa 119 no ho 56 ny Ankoay, tany Debrecen Hongrie, omaly. Tapitra hatreo ny lalan’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany. Noravain’i Frantsa, teo amin’ ny ampahavalon-dalana ny nofinofin’i […]
Fetin’ny fahaleovantena malagasy: nitondra fandresena ho an’i Madagasikara ireo atleta
Nifanindry an-dalana tamin’ny fetin’ny fahaleovantena malagasy, nitondra ny anjara birikiny nanome fandresena ho an’i Madagasikara ihany koa ireo atleta malagasy, niatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Ho an’ny taranja Judo, nanao pao-droa, ka nandrombaka medaly volamena roa tamin’ny “Coupe d’Afrique” sy ny “Open d’Afrique”, natao tany Niamey, teo amin’ny sokajy Junior sy sokajy […]




