Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny fifaninanana eran-tany « Davis Cup », izay atao any Kinshasha, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy. Mijanona ao amin’ny “Groupe V” kosa anefa izy ireo. Lavon’i RD Congo, mpampiantrano ny fifanintsanana, tamin’ny isa 2 no ho 1, i Madagasikara, ny sabotsy lasa teo. Teo amin’ny lalao “Simple 2”, […]
Fanatajahantena
“World Cup U19”- Ampahavalon-dalana: I Espagne na i Frantsa no miandry ny Ankoay
Fandresena voalohany ary manan-tantara eo amin’ny tontolon’ny basikety malagasy, ny nandresen’ny Ankoay ny ekipan’i Liban, ny alahady teo, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety U19. Fifaninanana tontosaina any Debrecen Hongrie. Laharana fahatelo vonjimaika, miaraka amin’ ny Slovenie i Madagasikara, ao amin’ny vondrona B, rehefa resin’i Etazonia ary nandresy […]
Tenisy – « Davis Cup »: hihaona amin’i RD Congo i Madagasikara
Tafita hiatrika ny dingan’ny “Playoff Davis Cup, Groupe V”, taranja tenisy, izay tanterahina any Kinshasa, ny ekipam-pirenena malagasy. Hihaona amin’i RD Congo, voalohany tao amin’ny vondrona C, i Madagasikara, lohany ao amin’ny sokajy B. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Ouganda, omaly. Teo amin’ny lalao “Simple […]
Kitra – Orange Pro League: hanala vela amin’ny Fosa Jr ny Ajesaia
Hotanterahina manomboka anio ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny fifaninanam-pirenena “Playoff Orange Pro League (OPL)”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Fosa Junior Boeny sy ny Ajesaia Bongolava. Fifanandrinana hotontosaina ny alahady ho avy izao, any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga. Mbola manala vela ny mpilalaon’i Bongolava satria efa resin’ny […]
Rugby – Lalao fihantsiana: hitsapa ny herin’ny Makis ny University of Bristol
Handray lalao iraisam-pirenena indray ny rugby malagasy. Hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso alahady 25 jona, ny fihaonana fihantsiana, hikatrohan’ny Makis de Madagascar “senior” sy ireo mpianatra avy any amin’ny oniversiten’i Bristol, Angletera. Tafiditra ao anatin’ny fitetezam-paritra ataon’ireto Anglisy ireto ity fihaonana ity, ary fiomanan’ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny fifanintsanana […]




