Niditra tamin’ny andro fahatelo ny taranja atletisma, omaly alakamisy. Fifaninanana notanterahina tetsy amin’ny kianja Alarobia hatrany. Anisan’ny nisongadina ny zava-bitan’ny Malagasy teo amin’ny 400 m, vehivavy. Nanjakan’i Madagasikara ny fifaninanana. Malagasy avokoa mantsy no telo voalohany. Vao teo am-piaingana dia efa nitarika tamin’ny hazakazaka i Namahako Cynthia, izay tsy nisy […]
Fanatajahantena
Mitarika hatrany: Medaly volamena 92, volafotsy 55 ary alimo 69 ho an’ny Malagasy
Miakatra hatrany ny isan’ny medaly azon’ny atleta malagasy ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Mbola mitarika eo amin’ny laharana voalohany ny Malagasy. Efa tafakatra 92 ny medaly volamena, 55 ny volafotsy ary 69 ny alimo ho an’i Madagasikara, amin’izao telo andro tsy hifaranan’ny lalaon’ny Nosy izao, ka […]
Seho sehatra ho an’ny tanora: nifarana ny hetsika, nalai-nisaraka ny mpandray anjara
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny seho sehatra ho an’ny tanora ato anatin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, atao eto Madagasikara, ity. Telo andro no nanatanterahina ny hetsika saingy feno firaisan-kina sy firahalahiana tokoa ny fifandraisan’ireo tanora mpandray anjara. Niray feo ireo tanora nanambara fa tombony lehibe […]
Atletisma: noporofoin’i Sidonie ny maha andrarezina azy
Na tsy salama aza i Sidonie Fiadanantsoa, mbola norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 100 m misy fefy, vehivavy, taranja atletisma. Andro faharoa notanterahina omaly alarobia, tetsy amin’ny kianja Alarobia. Tontosany, tao anatin’ny 13 s 14 ampahazatony izany. Nifampitady hatrany am-piaingana izy sy ilay rénionais, i Esther Conde Turpin, tonga […]
Volley : nandresy ny Réunionais ny Malagasy
Nangotraka ny fifaninanana volley, teny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, omaly. Nampitsanga-mitoetra ny lalaon’i Madagasikara sy La Réunion, indrindra ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Seta 3 no ho 1 no nandresen’ny ekipa malagasy ny Réunionais, rehefa samy niady mafy ny ekipa roa tonta. Azon’ny Malagasy ny seta voalohany, 25-19, nitsimbadika anefa ny […]





