Fanatajahantena

« Playoff OPL 2023 » : hanala vela amin’ny Fosa Junior ny Ajesaia

Vita tamin’ny herinandro lasa teo ny lalao ampahefa-dalan’ny “Playoff OPL 2023”. Efa fantatra fa ireo ekipa efatra tafita avy tao amin’ny kaonferansy avaratra ihany no hiatrika ny lalao manasa-dalana. Anisan’izany ny Fosa, Ajesaia, Cosfa, AS Fanalamanga. Taorian’ny fihintsanan’ ny CFFA Andoharano­fotsy teo amin’ny lalao ampahefa-dalana, ny “Playoff OPL 2023”, nanoloana […]

Volley-Mada 2023: nanao pao-droa ny GNVB

Namiratra tanteraka ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale Volley-Ball), nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasiakara, notontosaina tany Toamasina. Samy norombahany avokoa ny fandresena, teo amin’ny sokajy lahy sy vavy. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nolavoin’ny GNVB, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny tompondaka 2022, ny Stef’Auto Toamasina. Vokatra tsara ho an’ny […]

ASIEF 2023 : mizotra tsara ny fanomanana

Hifarana afaka fotoana fohy ny fandraisana ny antontan-taratasy amin’ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny Association sportive interministérielle pour l’entretien des Fonctionnaires (Asief), taona 2023. Mizotra tsara ny fanomanana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Asief, Andriana­rison Jean Aimé (Jhone Love). Nisy ny fidinana ifotony natao tany Toamasina, ny herinandro lasa teo, nijerena ireo […]

Kitra any Frantsa : lasan’i Mbemba ny «Prix Marc Vivien Foé»

Notanterahina, omaly talata, tany Frantsa, ny fisafidianana izay mpilalao baolina kitra afrikanina mendrika, mifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa «Ligue 1», na ny «Prix Marc Vivien Foé». Norombahan’ilay Kon­goley, i Mbemba Chancel, milalao ao amin’ny Olym­pique de Marseille, izany. Nahazo isa 207 avy amin’ireo mpanao gazetin’ny France 24 sy […]

Rakotondrabe Romuald : mpanazatra ny Barea zokiny

Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, omaly, Rakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô no mpanazatra hitondra ny Barean’i Madagasikara. Ny 14 oktobra, hanaovana ny fifidianana ny filohan’ny FMF vaovao. Toy niandry vohoka ny namohana ny anaran’ny mpanazatra ny Barea de Madagascar vaovao, handimby an’i Nicolas Dupuis, teknisianina frantsay. […]