Fanatajahantena

Basikety-Donovan : « Mahay i Etazonia saingy azo resena »

Nigadona teto Mada­gasikara, ny faran’ny herinandro teo, Rakotonanahary Donovan, mpilalaon’ny An­koay U19, nandranto ny taranja basikety tany Eta­zonia, nanomboka ny volana septambra 2022. Hiatrika ny fampivondronana miaraka amin’ireo namany ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany U19, hatao any Hongrie, izy. Nambarany fa nahita ny fomba filalaon’ny ekipa ao Etazonia […]

“Rugby Women’s cup 2023”: famaranana kely ny an’ny Springboks sy ny Makis Ladies

Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis avokoa ny sain’ny rehetra rahampitso alahady. Ho fantatra eo mantsy ireo ekipa roa hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby. Anisan’ireo hiady izany tapakila izany ny Makis Ladies. Hiditra amin’ny andro fahatelo sady farany, rahampitso alahady, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, rugby lalaovina olona […]

Tantaran’ny Rugby : efa nandresy an’i Afrika Atsimo i Madagasikara

Anatin’ny fifaninanana “Rugby Africa Women’s Cup 1st Division” i Madagasi­kara. Hifarana ny alahady 28 mey ho avy izao izany. Ny Springboks avy ao Afrika Atsimo no hihaona amin’ny XV Makis Ladies de Mada­gascar. Ara-tantara, efa lavon’ ny Makis ny Spring­boks Afrika Atsimo, teo amin’ny sokajy lehilahy. Raha ny fikarohana natao […]

Basikety – “Mondial U19/3×3”: halefan’ny Canal + manontolo ny lalaon’ny Ankoay

Handeha amin’ny Canal Evenement avokoa ny lalao rehetra hatrehin’ny Ankoay, mandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany miisa 2. Ho hitan’ny mpanohana avokoa na ny ho an’ny U19 lehilahy na ny Ankoay Senior 3×3. Nampahafantarina, ofisialy, omaly, teny Andraharo, fa handeha ao amin’ny Canal Eve­nement, avokoa ireo lalao rehetra hatrehin’ny Ankoay, […]

“World Cup 3×3”-“Match Test” : raraka teo amin’ny ampahefa-dalana ny Ankoay

Lalao miisa 3 no natrehin’ny ekipa malagasy Ankoay, ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3, ny faran’ny herinandro teo. Izany hoe, “tournoi” iray hifandonana amin’ireo ekipa Pro Senior, ao Serbie, ity lalao ity. Mafy ireo ekipa nifanandrina tamin’ny ekipa malagasy, araka ny namba­ran’ny mpanazatra saingy niezaka nanohitra […]