Fanatajahantena

Lalaon’ny Nosy andiany faha-11: taranja 17 no hifaninanana, 12 najanona

Nisongadina nandritra ny fivoriana ny fanapahana ny isan’ny taranja hifaninanana, ka tapaka tamin’izany fa mihena ho 17 ireo taranja handraisana anjara (Atle­tis­ma/handisport, Basket-ball 5×5, Basket-ball 3×3, Ady totohondry (lehilahy), Bad­min­ton, Tenisy ambony latabatra, Baolina kitra (lehilahy), hazakazaka am-bisikileta, fibatana fonjam-by, Hand­ball, Judo, Tolona, lo­mano/han­di­sport, Rugby 7, Karate, tsipy kanetibe, tenisy, […]

Rugby Africa Womens Cup 1st Division 2023 : lavon’ny Simbas Kenya ny Makis Ladies de Madagascar

Ratsy fanombohana ny Makis Ladies de Madagascar, tamin’ity fifaninanana “Rugby Africa Womens Cup 1st division 2023” ity. Lavon’i Kenya, tamin’ny isa 29 no ho 20 ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny andro voalohany. Tsy dia tsara ny vokatra ho an’ny XV Makis Ladies de Madagascar nandritra ny andro voalo­han’ny fifaninanana “Rugby […]

Kick Boxing: lavon’i Jean Zorres i Johnny

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja mitafo Maha­masina, ny lalao fihantsiana «Real Fight», taranja Kick Boxing, izay karakarain’ny klioba Kick Boxing Avenir (KBA). Lavon’i Jean Zorres, mpikatroka ao amin’ny Cosfa teo amin’ny “5ème Round”, Rakotondrabra Laurent John­ny na i Jonace, mpikatroka AFKM, teo amin’ny fihaonan’ny sokajy «Elite». Resy amboninahitra i Jonace, […]

“Tournoi des 4 Nations” : hanazatra ny Barea U23 indray i Boualem Mankour

Taorian’ny fifanintsanana amin’ny fandraisana anjara ny Can U23, taranja baolina kitra, dia naverina ho mpanazatra ny Barea U23 i Boualem Mankour, teratany frantsay. Araka ny vaovao navoakan’ ny Union des footballeurs internationaux et Cadressportifs Malagasy (Uficasm), omaly, dia hanatanteraka fampivondronana voalohany ho an’ireo zandrikely, any Paris, izy ireo, ny volana Jona. Natao […]

Lalaon’ny Nosy andiany faha-11: nivoaka ny sary famantarana sy ny hira faneva

Ho raikitra ! Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny sary famantarana sy ny hira fanevan’ny lalaon’ny Nosy. Nanatrika izany ny avy amin’ny fitondrana malagasy sy ny avy amin’ny Vaomiera mpanara-maso ny fikarakarana. Nampahafantarina ofisialy, omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny sary fa­man­tarana sy ny hira fanevan’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, hatao […]