Fanatajahantena

Kitra – « Telma Coupe » : manomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina anio sy ra­hampitso ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara « Tel­ma Coupe 2023 », taranja baolina kitra. Araka ny vaovao voaray teny anivon’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF), ny dingana voalohany na «1er tour préliminaire » no hatao mandritra ny roa andro. Miisa valo ny ekipa avy amin’ny li­gin’Analamanga, toy ny Le­muria Sport […]

Rugby vehivavy – “Women’s cup D1”: “Zava-dehibe ny fandresena an’i Kenya”, hoy i Berthin Zoto

Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka avokoa ny sain’ny besinimaro, indrindra fa ny mpankafy ny baolina lavalava, anio sabotsy. Hotanterahina eny an-toerana ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovina olona 15, sokajy vehivavy “Women’s cup D1”. Firenena efatra no hiady ho lohany. Anisan’izany ny Makis Ladies, […]

Olan’ny rugby : Kandidà tokana hofidina i Dorien

Araka izay efa nahafantaran’ny rehetra azy, hotanterahina rahampitso sabotsy, etsy amin’ny kianja Makis Ando­ha­tapenaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy «Can 2023». Etsy an-kilany, misisika ny hanatontosa fifidianana ho filohan’ny federasiona ireo ligim-paritra manohitra an-dRakotomalala Marcel. Kandi­­dà tokana no hofidina dia i Sambotody Dorien. […]

« LDC » – Man City 4-0 Real Madrid : tafakatra amin’ny famaranana ny Anglisy

Nandihizan’ny Manches­ter City, Anglisy na ny “Sky­blues”, ny kianjan’izy ireo, ny alarobia lasa teo. Izy ireo no tafita hiatrika ny lalao famaranana, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023” (LDC), taranja baolina kitra. Nomon­tsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra, 4 no ho 0, ny Real Madrid, Espaniola, teo amin’ny […]