Fanatajahantena

Karate-Andrianavomanana Solofo : “Fanapahankevitr’olon-tokana ny nataon’ny MJS”

Naneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaha misy eo amin’ny taranja karate amin’izao fotoana, Andrianavomanana Solofo Barijaona sy ireo ligy 14, omaly, teny Ivandry. Nanatanteraka fivoriambe ara-potoana (ordinaire) sy extraordinaire, teny amin’ny foiben’ny Komity olympika Malagasy, omaly, Andrianavomanana Solofo Barijaona sy ireo ligy 14 miara-dia aminy. Nandritra izany no nanehoany ny […]

Orange Pro League : lavon’ny Cosfa ny Mama FC

Nahazo fahombiazana ny ekipan’ny miaramila. Lavon’ ny Cosfa, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Mama FC, nandritra ny lalao ampahefa-dalana mandroson’ny fifaninanam-pirenena “Playoff Orange Pro League (OPL) 2023”, taranja baolina kitra. Fi­ha­o­nana notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, omaly alatsinainy. Niady tanteraka ny lala­on’ny roa tonta, saingy ma­nana tombony […]

Atrikasa ho an’ny tanora : nosokafana ofisialy omaly

Nosokafana ofisialy, om­aly 15 mey, tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny “2è Forum Humanitaire de L’Union Africaine pour la Jeunesse”. Atrikasa andinihana ny fahafahan’ny tanora mamaha ny krizy manjo ny olona aty Afrika, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Tanjon’ity “forum” ity ny hanampiana ny tanora sy hiaraha-misalahy amin’ireo […]

Lalaon’ny Nosy 2023 : fitaovana 4 kaontenera, ho an’ny atleta malagasy

Nomen’ny fanjakana sinoa fitaovana efatra kaontenera ny atleta malagasy, handray anjara amin’ny JIOI 2023. Nandray izany ny delegasiona, notarihin’ny filoha Rajoelina Andry. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny La­pan’ ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahama­sina, ny lanonam-panolorana fitaovana ho an’ireo atleta malagasy avy amin’ny firenena sinoa. Tonga nanotrona izany ny filohan’ny Repob­lika, […]