Hijanona ao Serbie, mandritra ny 15 andro, hanaraka fiofanana sy hanao fanazarantena, ny Ankoay sokajy lehilahy. Nanome toky ny hanao ny ezaka rehetra ireo mpilalao 4 mirahalahy (Livio, Elly, Fiary, Arnol) miaraka amin’ny mpanazatra azy ireo, Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda), mandritra ny fotoam-panomanana. Tsapan’ireo mpilalao rahateo fa miandrandra vokatra tsara avy aminy ny Malagasy […]
Fanatajahantena
Baolina kitra- « Coupe Regionales u19 »: norombahan’ny ekipan’Itasy ny 20 tapitrisa Ar
Nifarana omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly U19, taranja baolina kitra. Norombahan’ny ligin’Itasy ny amboara sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, rehefa nampiondrika an’i Toliara tamin’ny isa 4 no ho 0. Azon’ny ekipa voafantin’Itasy ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, taranja […]
Playoff OPL 2023 : hihaona amin’ny CFFA ny Ajesaia
Hotanterahina anio sy rahampitso ary rahafakampitso, ny fifaninanam-pirenena «Playoff Orange Pro League (OPL) 2023». Araka izany, hihaona amin’ity lalao ampahefa-dalan’ny OPL ity, ny Ajesaia Bongolava sy ny CFFA Andoharanofotsy. Fifanandrinana mandroso atao anio, eny Ambohidratrimo. Ho toy ny lalao famaranana izy ity, manana mpilalao kalaza sy matihanina ny roa tonta, […]
Fiofanana any Chine : nanatsara “record personnel” ireo atleta
Mizotra tsara ny fiofanana fanomanana ny lalaon’ny Nosy, tanterahan’ireo atleta malagasy any Chine. Avy niatrika fifaninanana fitsapana izy ireo ka azo lazaina ho tsara ny vokatra. Saika nahavita nanatsara ny “record personnel” avokoa ireo atleta teo amin’ny taranja atletisma. Anisan’ny nahavita izany Razanazafy Haingo Brigitte teo amin’ny 100 m sokajy […]
Rugby vehivavy – « Can 2023 » : nankahery ireo Makis Ladies ireo minisitra Coach
Herinandro mialoha ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 (Can 2023), anio. Mialoha izany, tonga nijery ny fotodrafitrasa sy nankahery ireo Makis ladies ireo minisitra mpiahy. Tonga teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly zoma, ireo minisitra mpiahy (coach) ny taranja rugby dia ny […]




