Tontosa, ny talata teo, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions ». Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny Real Madrid, Espaniola sy ny Manchester City, Anglisy. Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’ny Santiago Bernabeu. Araka izany, hiady tanteraka ny lalao miverina any amin’ny tanin-dry […]
Fanatajahantena
Kitra – «Tournoi Inter Lycée» : tompondaka ny JJ Rabearivelo sy ny LTC Ampefiloha
Tontosa ny sabotsy 6 mey lasa teo, teny amin’ny kianja synthètique Andohalo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny mpianatra «Tournoi inter Lycée» andiany faharoa nokarakarain’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra sy ny Yest Agency. Nandrombaka ny fandresena, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny LTC Ampefiloha rehefa nandresy ny JJ Rabearivelo, tamin’ny isa 2 […]
“World Cup 3×3” : hanainga ny alahady izao ny Ankoay
Nivoaka ofisialy, omaly alarobia 10 mey, ny lisitry ny delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety 3×3, hatao any Autriche, ny 30 mey hatramin’ny 3 jona izao. Mpilalao 4 mirahalahy (Livio, Fiary, Elly ary Arnol) miaraka amin’ny mpanazatra, Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda), ary ny filohan’ny […]
Judo-Tompondaka eran-tany: hiditra an-tsehatra anio Rasoanaivo Laura
Nahavita ny fandanjana, omaly 10 mey, i Laura ary hifaninana anio, eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 70 kg, Senior, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Judo. Fifaninanana izay efa nanomboka ny 7 mey lasa teo saingy anio ny anjaran’ny solontena malagasy. Araka ny fampitam-baovao, nigadona tany Doha Qatar, ny […]
Fibatana fonjamby-Afrika : iray ihany ny atleta malagasy
Hanainga, anio, ho any Tonizia ny delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, hatao ny 12 hatramin’ny 19 mey izao. Atleta iray ihany no afaka mandray anjara noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, araka ny nambaran’ny federasiona malagasin’ny fibatana fonjamby, Randriamanarivo Harinelina, omaly. Efa ela, hoy izy, […]




