Fanatajahantena

Rugby – «Women’s cup 2023» : hidona voalohany amin’ny Makis Ladies i Kenya

10 andro mialohan’ny hanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ta­ranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, anio. “Wo­men’s Cup 2023” ho an’ny Diviziona 1. Fihaonana hampiantranoan’i Madagasikara, ny 20 hatramin’ny 28 mey ho avy izao. Firenena efatra no hiady lohany amin’izany dia i Madagasikara, i Cameroun, i Afrika Atsimo ary i […]

« Prize money » Chan 2022 : niakatra ho 300 000 dolara ny anjaran’ny Barea

Araka ny toromarika nomen’ny filoha Rajoelina Andry, nakarina ho 60 % ny vola na “Prize money” homena ny mpilalaon’ny Barea sy ny Staff. Tapaka izany taorian’ny fivoriana niarahan’ny rehetra, omaly. Lelabola 300 000 dolara na 1 320 000 000 Ar eo ho eo, izay 60 % an’ilay 500 000 dolara na 2 200 000 000 Ar no tambin-karama hatolotra […]

SESAM 2023 : tsara noho ny andiany farany

Fahombiazana ny azon’ny mpikarakaran’ny hetsika Se­sam (Sports extrêmes et Salon des arts martiaux), andiany faha-3, notontosaina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro. Afa-po avokoa ny mpandray anjara rehetra ary afaka nahalala zavatra maro ireo mpitsidika. Dojo miisa 12 avy amin’ny taranja maro sa­mihafa ny nampiranty sy nampahafantatra ny […]

Kitra – Atsimondrano Champions League (ACL 2023) : mpilalao 2300 niatrika ny fotoam-panokafana

Notanterahina, teny amin’ny kianja Ambohimamory Itaosy, ny alahady lasa teo, ny fanokafana tamin’ny fom­ba ofisialy ny andiany faharoa amin’ny Atsimon­drano Cham­­pions League (ACL 2023), taranja baolina kitra. Nakotroka ny hetsika, nahatratra 2300 ireo mpilalao niatrika ny fotoam-panokafana. Tsiahivina fa hiady izay ho lohany amin’ity ireo ekipa 78, avy amin’ny kaominina 26 mandrafitra an’Atsimon­drano. Nanome […]