Naneho ny alahelony ireo mpampianatra sy mpianatra taloha teny amin’ny ivontoerana Academie Nationale des Sports Ampefiloha, toa an-dRanavela Charles, omaly. Voalaza fa lasan’ireo tsy mpianatra ny efitrano rehetra. «Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny satria lasan’ireo tsy mahita trano eto Antananarivo ny efitrano rehetra ho an’ny mpianatra eto amin’ny ANS Ampefiloha », hoy […]
Fanatajahantena
Rugby : nanolotra fitaovana ho an’ny Makis i Angletera
Resy lahatra ny masoivohon’i Angletera eto Madagasikara, fa velona sy mandroso ny baolina lavalava malagasy ary manana talenta amin’io taranja io ny Malagasy. Araka izany, tonga nanolotra fitaovana nahitana “maillots, faux-bas, short, tee-shirt” ary akanjo mafana ho an’ny mpilalaon’ny Makis vehivavy sy ny sokajy zandriny U16 sy U18 ny masoivohony, […]
Beach Soccer : tolorana 5 tapitrisa Ar izay tompondaka
Hafana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra lalaovina eny amin’ny torapasika (beach soccer), karakarain’ny Telma sy ny fikambanana Dola Beach. Hahazo lelavola 5 tapitrisa ariary izay voahosotra ho tompondaka amin’ny fifaninanana, raha toa ka 2 tapitrisa ariary ny an’ny ekipa faharoa. Araka ny fanazavan’ ny mpikarakara teny Andraharo, omaly. Hotanterahina any […]
Sombintsombim-baovao
Basikety – Ao anatin’ny fifantohana tanteraka amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 3×3 sy ny U19 amin’izao, ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay. Mba hahafahan’izay fanomanana izay mizotra tsara araka ny tokony ho izy, nisy fanamboarana ny fandaharam-potoana amin’ny fifaninanam-pirenena. Naroso ny 2 hatramin’ny 7 mey araka izany ny fifaninanana dingana voalohany, amin’ny […]
Fifanintsanana- Can 2023: resin’i Centrafrique 3 no ho 0 i Madagasikara
Lavon’ny les Fauves avy ao Centrafrique tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara. Miampy isa telo ny an’ny ekipa mpandresy. Hotanterahina any Cameroun ny lalao miverina, amin’ny talata ho avy izao. Nalahelo sy kivy tanteraka ny vahoaka malagasy rehetra, nahazo vokatra ratsy ny ekipam-pirenena malagasy. Nomontsanin’ ny les […]




