Fanatajahantena

Lalaon’ny Nosy (jioi 2023)

Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga anio, eto Madaga­sikara, ireo delegasiona avy amin’ny Vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), mi­sahana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Hijery ny fandrosoan’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa sy ny pitsopitsony teknika samihafa izy ireo, mandritra ny fitsidihana. Andrasana ny fankatoavana na tsia ny mety hahazoan’i Madagasikara mampiantrano […]

Rallye Motul: nanjakan’ny klioba ASACM ny fifaninanana

Nifarana omaly alahady, tetsy Ankorondrano ny Rallye Motul, nokarakarain’ny FMMSAM. Din­ga­na voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena. Nanjakan’ny klioba ASACM sy ny fiara Subaru ny fifaninanana satria izy ireo avokoa no telo tonga voalohany. Nandrombaka ny fandresena, i Frederic sy i Mick, nahavita ny hazakazaka tao anatin’ny 1 ora 20 mn […]

Orange Pro League : ady sahala ny CFFA sy ny Ajesaia

Niady tanteraka ny fi­haonan’ny Ajesaia Bongo­lava sy ny CFFA Andoha­ranofotsy. Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny roa tonta tamin’ity lalao ampahefa-dalana mandroso, fifaninana «Playoff Oran­ge Pro League (Opl) 2023», ity. Fifanandrinana notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Ambohidra­trimo. Na­no­katra ny isa voalohany ny Ajesaia, tamin’ny alalan’i Feno, ny minitra faha […]

Basikety-Fanomanana “World Cup 3×3”: hanao ny ezaka rehetra ny Ankoay lehilahy

Hijanona ao Serbie, mandritra ny 15 andro, ha­naraka fiofanana sy hanao fanazarantena, ny Ankoay sokajy lehilahy. Nanome toky ny hanao ny ezaka rehetra ireo mpilalao 4 mi­rahalahy (Livio, Elly, Fiary, Arnol) miaraka amin’ny mpanazatra azy ireo, Randria­narivelo Jean de Dieu (Deda), mandritra ny fotoam-panomanana. Tsapan’ireo mpilalao rahateo fa miandrandra vokatra tsara avy aminy ny Malagasy […]

Baolina kitra- « Coupe Regionales u19 »: norombahan’ny ekipan’Itasy ny 20 tapitrisa Ar

Nifarana omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly U19, taranja baolina kitra. Norombahan’ny ligin’Itasy ny amboara sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, rehefa nampiondrika an’i Toliara tamin’ny isa 4 no ho 0. Azon’ny ekipa voa­fantin’Itasy ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, taranja […]