Fanatajahantena

Playoff OPL 2023 : hihaona amin’ny CFFA ny Ajesaia

Hotanterahina anio sy ra­hampitso ary rahafakampitso, ny fifaninanam-pirenena «Play­off Orange Pro League (OPL) 2023». Araka izany, hihaona amin’ity lalao ampahefa-da­lan’ny OPL ity, ny Ajesaia Bon­golava sy ny CFFA Andoha­ranofotsy. Fifa­nandrinana mandroso atao anio, eny Am­bohidratrimo. Ho toy ny lalao famaranana izy ity, manana mpilalao kalaza sy matihanina ny roa tonta, […]

Fiofanana any Chine : nanatsara “record personnel” ireo atleta

Mizotra tsara ny fiofanana fanomanana ny lalaon’ny Nosy, tanterahan’ireo atleta malagasy any Chine. Avy niatrika fifaninanana fitsapana izy ireo ka azo lazaina ho tsara ny vokatra. Saika nahavita nanatsara ny “record personnel” avokoa ireo atleta teo amin’ny taranja atletisma. Anisan’ny nahavita izany Ra­zanazafy Haingo Brigitte teo amin’ny 100 m sokajy […]

Rugby vehivavy – « Can 2023 » : nankahery ireo Makis Ladies ireo minisitra Coach

Herinandro mialoha ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 (Can 2023), anio. Mialoha izany, tonga nijery ny fotodrafitrasa sy nankahery ireo Makis ladies ireo minisitra mpiahy. Tonga teny amin’ny kianja Makis Andoha­tapenaka, omaly zoma, ireo minisitra mpiahy (coach) ny taranja rugby dia ny […]

Ligue des Champions: hanala vela amin’ny Inter ny AC milan

Notanterahina ny alarobia lasa teo, ny lalao manasa-dalana mandroso, amin’ny fia­diana ny tompondakan’i Eoropa « Ligue des Cham­pions ». Hanala vela amin’ny Inter Milan ny AC Milan, lavon’ny Inter tamin’ny isa 2 no ho 0, izy ireo. Fihaonana notontosaina tao amin’ny kianjan’ny San Siro. Tsia­hivina fa i Dzeko, lohalaharan’ny Inter no nanokatra […]

Amboara rezionaly U19: hanao ny famaranana Itasy sy Atsimo Andrefana

Nifarana ny alarobia lasa teo, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny amboara rezionaly “Coupe Régionale U19”, taranja baolina kitra. Ny ekipa voafantin’Itasy sy Atsimo Andrefana no hihaona eo amin’ny lalao famaranana, hotanterahina eto Antanana­rivo, kianja Elgeco Plus By-Pass, ny 14 mey ho avy izao. Marihina fa ho fiatrehana ny “Cosafa […]