Tonga nanolotra fitaovana sy fanamiana ofisialy fitondra milalao ho an’ny ekipam-pirenena, Ankoay lehilahy, ny orinasa Telma. Notanterahina, omaly, teny amin’ny Palais des Sports Mahamasina izany ary natrehin’ireo mpikambana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB). Natao ho fanampiana ny ekipa malagasy izay hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany « World FIBA 3 […]
Fanatajahantena
Judo-Tompondaka eran-tany : resy tamin’ny fahadisoana ara-teknika i Laura
Nifarana hatreo ny lalan-dRasoanaivo Razafy Laura, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja Judo, sokajy Seniors. Resy teo amin’ny fihodinana voalohany izy. Tsy nahomby nanoloana ny mpifanandrina taminy, i Samardzic Aleksandra (Bos), sokajy latsaky ny 70 kg, seniors, Rasoanaivo Razafy Laura, omaly, tany Doha Qatar. Nahazo “shidos” 3 tao anatin’ny […]
Karate-Amboaran’ny Filoha : hatao ny 25 hatramin’ ny 28 mey izao
Raikitra ny fifaninanana fiadiana ny amboara’ny Filoha, taranja karate, eo ambany fitantanan-dRatefinanahary Emile. Ny 25 hatramin’ny 28 mey izao no hanatanterahana izany, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Atleta hatramin’ny 1200 no andrasana amin’io fiadiana ny amboaran’ny Filoha io, izay manomboka ny 6 hatramin’ny 91 taona. Aorian’io, hamoaka ny isa ho […]
LDC – Real sy City : hangotraka ny lalao miverina
Tontosa, ny talata teo, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions ». Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny Real Madrid, Espaniola sy ny Manchester City, Anglisy. Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’ny Santiago Bernabeu. Araka izany, hiady tanteraka ny lalao miverina any amin’ny tanin-dry […]
Kitra – «Tournoi Inter Lycée» : tompondaka ny JJ Rabearivelo sy ny LTC Ampefiloha
Tontosa ny sabotsy 6 mey lasa teo, teny amin’ny kianja synthètique Andohalo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny mpianatra «Tournoi inter Lycée» andiany faharoa nokarakarain’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra sy ny Yest Agency. Nandrombaka ny fandresena, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny LTC Ampefiloha rehefa nandresy ny JJ Rabearivelo, tamin’ny isa 2 […]





