Hotanterahina eny amin’ny Base 213 Arivonimamo, ny 1 desambra ho avy izao, ny dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fiarakodia mandeha amin’ny halaviran-dalana 400 metatra, « Run Ama Final Round ». Hafana tanteraka ity fifanintsanana ity, hiady izay ho lohany i Herizo Boarilaza na i Bobo sy Rasolojaona Tahiana […]
Fanatajahantena
DAKA AN-JORONY: Vanona fa tsy vonona
Ny atao hoe zava-banona, milamina sy mirindra ary tontosa soa aman-tsara. Mifanohitra amin’ilay tsy misy zava-banona. Azo sary an-tsaina ho an’ity farany fa misavoritaka ary mifanipaka toa valala an-karona. Raha amin’ny olombelona indray ny olom-banona, olona tsara taiza, mahitsy amin’ny zavatra atao ary azo itokisana raha hanankinana andraikitra. Mazava ho […]
Rugby – “XXL Top 20”: Hiatrika ny famaranana ny 3FAI sy ny CEA
Tafita ary hiatrika ny famaranana hiadiana ny ho tompondakam-pirenena “XXL Top 20”, taranja rugby, ny CEA Andranomanalina sy ny 3FAI Ambalavao Isotry. Izy ireo izany no tafiditra ao amin’ny Top 12, amin’ny taom-pilalaovana 2025. Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny manasa-dalana amin’ny “XXL Top 20 Mada”, taranja rugby. […]
Sombim-baovao
Tsara fanombohana ny solontena malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Échecs, sokajy Cadet, any Italie. Nandresy an’i Kany Elsie Joyce, teratany kenianina, i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra, tamin’ny lalao voalohany, teo amin’ny sokajy U12. Lany ho filohan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny taranja volley-ball, i Fabio Azevedo, ny sabotsy 16 novambra […]
Basikety-Kianjan’Andraisoro : Miroso miandalana ny asa fanajariana
Mizotra tsara ny fanamboarana ny kianja basikety AT2B eny Andraisoro. Miroso miandalana ny asa fanajariana. Etsy ankilany, miroso ihany koa ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B. Araka ny fandaminana, eny amin’ny kianja indramina eny Nanisana sy eny Amboditsiry aloha hatreto no mandray ny lalao mandra-pahavita […]