Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpilomano miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja lomano, tanterahina any Oran Alzeria, omaly. Nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra nasionaly, Rakotonanahary Océane, teo amin’ny 100m Brasse ary tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo ka niambozona ny medaly alimo. “Record” efa tamin’ny 35 taona lasa (1987) ity […]
Fanatajahantena
Fanomanana ny Mondial 2026 : Hilalao amin’ny Barea ny Lion de l’Atlas
Nahazo fanasana hiatrika lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinana amin’i Maroc, any Rabat, ny Barean’i Madagasikara, ny volana jona ho avy izao. Aorian’io kosa, hifandona amin’i Ouganda. “Hifandona amin’ny goavana!”. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, hifandona amin’ny tompondakan’i Afrika, farany teo, ny Lion de […]
Gymnastique Rythmique: Top 7 Rakotonirina Tiara, tany Afrika Atsimo
Niatrika voalohany ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Gymnastique Rythmique, ny atleta malagasy, Rakotonirina Tiara, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana izay notontosaina tany Afrika Atsimo. Tsara ny vokatra ho azy satria na vao sambany aza izy no nifaninana teo amin’ny sehatra afrikanina dia efa tafiditra sahady ao anatin’ny Top 7. […]
Tranoben’ny IHF: Nanatrika ny fitokanana ny filohan’ny FMHB
Notokanana omaly, tany Bâle Suisse, ny foiben-toerana vaovaon’ny International Handball Federation. Trano maoderina ahitana rihana enina izy ity, izay hiasan’ny Federasionina iraisam-pirenena manomboka izao. Nahazo fanasana avy amin’ny Dr Hassan, filohan’ny IHB, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball, Ratsimandao Andriamanga, ka nanatrika izany tany an-toerana. Nambaran’ity mpitantana ny taranja handball eto […]
Kianja Barea Mahamasina : Hovain’ny fanjakana ho « hybride » ny bozaka
Fantatra fa ovaina ho bozaka “hybride” ilay natoraly nitsiry ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina hatramin’izay. Haharitra enim-bolana ny asa. Havaozina ny bozaka! Fantatra, afakomaly, fa hiroso amin’ny fanamboarana ny bozaky ny Kianja Barea Mahamasina ho lasa “hybride”, ny fanjakana. Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahina afakomaly. Ny minisiteran’ny […]





