Fanatajahantena

Olympika amin’ny andro ririnina: Vonona i Mia Clerc sy i Mathieu Gravier

Hanomboka anio, any Mi­lan-Cortina, Italie, ny lalao Olym­pika fanao amin’ny andro ririnina. 92 ireo firenena, avy amin’ny kaontinanta 5, hiatrika izany ho an’ity andiany faha-25 ity. Anisan’ireo manana so­lon­tena amin’izany i Madaga­si­kara, amin’ny alalan’i Miali­tiana Clerc (Mia Clerc), 25 taona, sy i Mathieu Gravier, 23 taona. Vonona izy mianadahy hiaro […]

Fitokanana ny ivontoerana any Carion: Andrasana ny fahatongavan’ny filohan’ny Fifa

Andrasana ny fahatongavan’ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), Gianni Infantino, eto Madagasikara, hitokana ilay ivontoerana any Carion. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny loharanom-baovao iray, omaly, fantatra fa efa vita amin’ny ankapobeny ny ivontoerana any Carion, ka ny fitokanana azy sisa andrasana. Ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), Gianni […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny fihaonana eo amin’ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoha­ra­nofotsy. Fifanandrinana tafiditra anatin’ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « Pureplay Football League (PFL) ». Tsiahivina fa manala vela amin’ity ny CFFA. Efa lavon’ ny Elgeco […]

Razanakoto Iaro : Hiditra amin’ny sehatry ny Formule 1

Hivoatra amin’ny sehatra hafa amin’ny fanamoriana fiarakodia Razanakoto Iaro. Raha ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, afakomaly, hiditra amin’ny Taranja Formule 1 (F1) ny tenany, ka ny niara Jaguar R1 no hoen­tin’ity Malagasy fanta-daza amin’ny tontolon’ny fiarakodia ity. Nahazo fanasana hanao andrana hifaninana amin’ity F1 ity, any Dubaï, ny tenany, […]