Fiaraha-monina

Andro iray tsy misy fandotoana : nisy ny diabe tetsy Mahamasina

Nahitana diabe ho amin’ny ady ateraky ny fahalotoan’ny rivotra nanodidina an’Anosy sy Mahamasina, omaly. Narahina fanentanana sy fampisehoana maro samihafa izany tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Nandraisan’ny tanora, fikambanana, mpiasa isan-tsokajiny teo eo anivon’ny governemanta sy ny maro hafa anjara ny hetsika. Fotoana nahafahana niara-nientana sy nandray andraikitra hisorohana ny […]

Ankoatra ny mari-pahaizana akademika : mila miofana ny mpanabe ahazoana ny diplaoma arakasa

« Fanomezana lanja ny feon’ny mpampianatra mizotra amin’ny fifanarahana ara-tsosialy vaovao ho an’ny fanabeazana » no lohahevitra nentina namarika ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra sy ny mpampiofana, ny faran’ny herinandro teo. Napetraky ny Unesco sy ny OIT ny 5 oktobra 1966 io Andro maneran-tany io, izay niompana indrindra amin’ny fanomanana ny […]

Fampandrosoana ifotony

  Anisan’ny hoe fototry ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny maha olona na ny sosialim-bahoaka. Atao laharam-pahamehana izany, omena tombondahiny manokana, ampiroboroboana… Mby aiza? Na izay no tena imasoana sy lohalaharana amin’izay rehetra atao… Mba inona, hono, rey olona, no fiantraikan’izay atao amin’izao eo amin’ny fiainam-bahoaka? Na mivantana io, na […]

Atrikasa niarahan’ny RRI sy ny SIF: hatsaraina ny zo amin’ny fananan-tanim-pokonolona eto Madagasikara

Nisy atrikasa natao tetsy amin’ny Radisson Ambodi­vona, omaly, niarahana tamin’ny Right and Ressources Initiative (RRI) sy ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (SIF). Mikendry ny hanatsarana ny fankatoavana sy fiarovana ny zo ho an’ny fananantanim-pokonolona eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana sy ny andrimpanjakana. «Tan­jona ny hampandrosoana sy hanaovaozana ny […]

ADY AMIN’ny dengue: Mila 55 tapitrisa dolara

Mampirongatra ny aretina dengue afindran’ny moka ny fiovan’ny toetr’andro (fiakaran’ny maripana) ka nahatonga ny OMS nametraka drafitrasa iraisam-pirenena hifehezana azy. Nanomboka ny taona 2021 no ho mankaty, nitombo avo roa heny, isan-taona, ny isan’ny tranga misy fahasarotana voatily. Tao anatin’ny valo volana voalohany tamin’ity taona ity, 7 900 ny fahafatesana nateraky […]