Miditra amin’ny ampaham-potoana farany hoentina miatrika fanadinana ny mpianatra, eto Madagasikara, manomboka anio. Mitaky ezaka sy fiomanana mafy izany. Miverina an-dakilasy, manomboka anio, ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana sy ny tsy miankina rehefa nahavita ny fialan-tsasatry ny Paska. Miditra amin’ny roa volana fahadimy mamarana ny taom-pianarana izy ireo. Fanaovana famerenana ny […]
Fiaraha-monina
Fikaonandoham-paritry ny polisy: Tanjona ny hametrahana fandriampahalemana maharitra
Tontosa teny amin’ny Lapan’ny Teny tonga nofo Ambatobe, omaly, ny fikaonandoham-paritry ny Polisim-pirenena eto Analamanga. Natao hanamafisana ny rafitra sy ny politikan’ny fitandroana filaminana maharitra izany. “Ahoana ny endriky ny Polisim-pirenena amin’ny taona 2036”, io ny lohahevitra nodinihina nandritra izany. Natao hanamafisana ny rafitra sy ny politikan’ny fitandroana filaminana maharitra […]
INDRAY MIJERY
Nahavita fiofanana ireo mpanabe olon-tsahala (JPEU) eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Mpianatra 140 no niofana nandritra ny hateloana momba ny ady amin’ny fanilikilihana mifandraika amin’ny VIH/Sida eny amin’ny tontolon’ny oniversite. Hanentana sy hanao fitiliana ny tsimokaretina izy ireo ka hanomboka amin’ny fanentanana ny mpianatra eny amin’ny lalam-piofanana samihafa ny asa. Nanohana ny […]
Kongresin’ny farmasianina: Entanina ny olona hanjifa ny fanafody tsara kalitao
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny kongresy faha-31 ny Federasionin’ny farmasianina eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Nampitondraina ny lohahevitra “fahasalamana sy sakafo: fanamby ara-panafody, fanavaozana ary fijery vaovao ho an’ny fahasalamam-bahoaka”, izany. Nanasongadin’ny minisitra nandritra ny lahateniny ny anjara toerana lehibe raisin’ny farmasianina eo amin’ny fisorohana ny […]
Fanadihadiana ny Fiainan’ankohonana : Hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana
Nisy ny fampahafantarana ny voka-panadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankohonana “MICS 7” nandritra ny taona 2024 sy 2025. Fanadihadiana notanterahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Instat, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny Unicef, ny Banky iraisam-pirenena ary ny USAID. Anisan’ireo loharanom-baovao manan-danja indrindra, momba ny toe-pahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny fianakaviana […]




