Fiaraha-monina

ACSSQDA : Niofana ireo teknisianin’ny laboratoara

Mitana andraikitra lehibe ao anatin’ny rafitra nasionaly fanaraha-maso (système de surveillance) eto Madagasi­kara ny Ivontoerana misahana ny fanaraha-maso ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo. Manoloana ny fitomboan’ny fepetra ara-barotra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ilaina ny hananan’ny laboratoara ny fahaiza-manao ara-teknika eken’ny rehetra sy ny fomba fitiliana voamarina, mifanaraka amin’ny […]

Fahasalamana : Nilaharana ny tolotra maimaimpoana

Andro maneran-tany momba ny fahasalamana, omaly. Notanterahina teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika mifandraika amin’izany. Fizaham-pahasalamana maimaimpoana no nentina nanamarihina io andro io ka vao maraina dia efa nilahatra ny vahoaka hisitraka izany. Nisy ny fizahana fahasalamana sy fanomezana fanafody mifandraika ny aretina voatilin’ny mpitsabo. Notilina koa ireo aretina […]

Fandaharanasan’ny Fondation Orange : Niroso amin’ny fampianarana niomerika ny EPP Ihosy

Laharam-pahamehana ho an’ny Orange Madagascar ny fanabeazana sy ny fanohanana ny ankizy hilofo amin’ny fianarana. Tetikasa roa no hampiharina manerana ny Nosy hanapariahana ny fampianarana niomerika sy hanohanana ny fiverenana an-dakilasy. Niroso tamin’ny fampianarana niomerika koa ny EPP Ihosy, ny fiandohan’ity herinandro ity, ao anatin’ny fandaharanasan’ny Fondation Orange. Notolo­rana ny […]

Oniversitén’i Toamasina : Tontosa ny semineran’ny ” École doctorale”

Tontosa ny zoma 27 marsa lasa teo, tao amin’ny trano fisakafoana “La Marmite “-Mangarano, ny semineran’ny «Ecole doctorale», nandraisan’ireo mpisehatra rehetra manerana ny Nosy sy ny solontena avy any Rouen sy Frantsa anjara. « Fampia­ka­rana ambony ny lanjan’ny oniversité malagasy izao fahavitan’ny seminera iraisam-pirenena izao », hoy ny talen’ny École doctorale de […]

Fanadiovana lakandrano: Nisitraka 10 000 Ar sy vary ireo nanao asa tanamaro

Notanterahina ny herinandro teo ny hetsika fanadiovana sady fanohanana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny asa tanamaro (Himo) teto an-dRenivohitra. Niompana amin’ny fanadiovana lakandrano izany. Mirefy 15 000 m ny halavan’ny lakandrano no­diovina amin’ireo boriborintany enina. Anisan’izany ny eny Andohatapenaka II , Androndra Ampamantanana, Ankatso, Antanimora, Am­pa­sa­nimalo, Ambohipo, Mandro­seza Ankazomanga, Andrano­mahery, Ankorondrano, Ano­si­be Ouest II, […]