Fiaraha-monina

Hazandranomasina : Tsara ho fantatra ireo trondro manapoizina

Mampahatsiahy ny minisitry ny Jono ny amin’ny tsy tokony hihinanana ireo karazana hazandranomasina mihinana lomotra misy poizina rehefa vanim-potoana mafana toy izao. Raha ohanina izy ireny dia manapoizina avy hatrany ny olona mihinana azy ihany koa ary mety hitarika amin’ny fahafatesana raha tsy voavonjy haingana. Maromaro ny tranga niseho tato […]

INDRAY MIJERY

Ho fanamafisana ny fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina Mpox eto amin’ny faritra Analamanga, nanolotra fitaovana ho an’ny sampandraharaham-paritry ny fahasalamam-bahoaka ny Croix-Rouge Mala­gasy. Natolotra tamin’izany ny fitaovana momba ny fahadiovana sy fidiovana hanohanana ny ezaka amin’ny fisorohana sy ny fitsaboana. Misy distrika hafa koa nahazo fanomezana mifanaraka amin’ny filany, ao […]

Isoraka sy ny manodidina : Ahena ny ambana amin’ny loza mety hitranga

Nampiantso fivoriana maika, nidina ifotony teny amin’ny Rue de la Russie, Isoraka ny BNGRC niaraka tamin’ny ekipany nijery ny loza mitatao sy manambana eny an-toerana. Efa nisy ny fitarainana avy amin’ny mponina mahakasika ny fihotsahana mety hitera-doza ka nandraisana fanapahan-kevitra ny fijerena akaiky ny tranga. Tsikaritra taorian’ny fidinana ifotony fa […]

Faritra Anosy: 4 500 ny fianakaviana marefo notohanana

Nanatanteraka fidinana ifotony, tany amin’ny faritra Anosy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, notarihin-dRakotoniaina Voahanginirina Cathia. Nisy ny fijerena akaiky ny toe-piainan’ny mponina. Nampanantena ny ho fanatsarana izany izy nandritra ny lahateny izay nataony ny faran’ny herinandro lasa teo. Fianakaviana marefo maherin’ny 4 500 tao amin’ny kaominina Ankariera, […]