Fiaraha-monina

Oniversitem-panjakana : Hifarana ny volana oktobra ny taom-pianarana

Nivory voalohany tao anatin’ny Conférence des présidents des universités mampivondrona azy ny filohan’ny Oniversite rehetra miankina amin’ny fanjakana sy ireo tale jeneralin’ny Institut supérieur de téchnologie (IST). Teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no nanaovana izany. Rafitra ambony indrindra manapaka ny zavatra hoenti-mampandeha ny Onivesite tsirairay izany. […]

Analakely : Mpitondra moto voasambotra

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpitondra moto iray niteraka fitohanana teo Analakely, boriborintany voalohany, omaly tolakandro. Voakasiky ny fiara iray io lehilahy nitondra moto io. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny voakasika sy ny mpamily ny fiara. Nentin-katezerana, novelesin’ilay mpitondra moto tamin’ny aroloha teny aminy ny fitaratry ny fiara. Vaky ilay fitaratra. […]

INDRAY MIJERY

Ho an’ny kaominina Ampahitrosy, efa namaritra sorabola ao anatin’ny tetibolany ny mpitantana ny kaominina ahafahana manatsara ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ho an’ny vaksiny. Manana mponina 11 000 ny kaominina, mitsinjara amin’ny fokontany dimy. 3 000 eo ho eo ny ankizy latsaky ny 15 taona. 97% amin’ny zaza teraka no mahazo vaksiny, […]

Vondrona eoropeanina : Naranty ny tetikasa vatsiany vola

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Herinandro natokana ho an’ny Vondrona eoropeanina ny Andro fampahafantarana ireo tetikasa vatsian’izy ireo vola eto Madagasikara notanterahina teny Ankatso, omaly. Maro ny fanohanana ho an’ny fanjakana malagasy amin’ny sehatra samihafa mifanaraka amin’ny politikam-panjakana, toy ny fambolena, ny fiompiana, ny ho an’ny tanora, ny tontolo iainana, ny […]

Ihorombe – Fijery hafa: Fanalahidin’ny fampandrosoana

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny distrikan’Ihosy, ny fandaharana «Fijery hafa», notarihin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Tanjona ny hanolotra fiofanana isan-karazany ho an’ny tanora sy ny hampiharany izany avy hatrany amin’ny sehatry ny asa. Manampy amin’ny fampandrosoana ny toekarena ao amin’ny faritra rahateo izany. […]